· Febroary, 2019

Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Febroary, 2019

Lasa loharanon-dahatsoratra ho an'ny fifaninanana fandikan-teny manerantany any amin'ny Repoblika Tseky ny Global Voices

  27 Febroary 2019

Strč prst skrz krk. Tsia, tsy kitendritendry tsinahy nataon'ny saka nandeha teo ambonin'ny kitendry io akory fa tena fehezanteny Tseky misy izay midika hoe ‘alefaso any an-tenda ny rantsan-tanana’. Angamba mety tsy ho ilay fehezanteny tena mahazatra izany kanefa matetika ity fiteny ity dia lazaina ho ohatra mifanakaiky amin'ny ‘tsy...

Koety: Mandria Am-piadanana ry Ahmad AlRubi'e

Mitomany ny fahalasanan'ilay avara-pianarana mpitarika sady mpanao politika, Dr Ahmad AlRubi'e, ireo bilaogera Koetiana. Maro ireo bilaogera namoaka fiaraha-miory tamin'ny fianakaviany tao ami'ny bilaogin-dry zareo ary ny sasany tamin'ireo nanoratra tamim-pirehetampo fatratra momba ny fifandraisan-dry zareo taminy. I Abdullatif AlOmar no mitondra ny tantara amintsika.