· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Avrily, 2012

Tonizia: Eny An-dalambe Ny Mpamaky Boky!

Taorian'ny herinandro vitsivitsy nisian'ny fihetsiketsehana tao Tunis, nambara indray ny fisiana hetsika vaovao, antsoina hoe "L'avenue ta9ra", na "Mamaky [boky] ny Lalambe". Antsoina amin'izany ny Toniziana hitondra ny bokiny ho eny amin'ny Lalambe Habib Bourguiba, toerana ahafantarana indrindra ny renivohitra, sy handraisana anjara amin'ny fiarahana mamaky boky.

Frantsa: Mipongatra Ny Tenim-paritra

  16 Avrily 2012

Ny 31 Martsa 2012, nisy hetsika nifanesy maro natao tany amin'ireo tanàndehibe tany Frantsa, voatariky ny tanjona hampiseho fanohanana tsy misy lesoka an'ireo tenim-paritra sy ireo tenin-janatany. Mitatitra i Rayna St..

Arzantina: “Tsy Matoky Ny Sekoly Aho Fa Mino ny Soa Azo Avy Amin'ny Fanabeazana”

  14 Avrily 2012

Namoaka ny voalohany indrindra amin'ny andian-dahatsary manindry letam-pahefana ny rafi-pampianarana mahazatra mitondra ny lohateny hoe Tsy matoky ny sekoly aho fa mino ny soa azo avy amin'ny fanabeazana ny Educación Viva (Miaina ny Fanabeazana). Ao amin'ny lahatsary ahitana dika an-tsoratra no ahitana lahy sy vavy mihoatra ny 20 miantsa an-tononkalo ny mahasamy hafa ny rafi-pampianarana sy izay heverin'izy ireo ho fanabeazana.