Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Jolay, 2013
Nahetsiky ny Fitroaran'ny Mpianatra i Chili
Nihaona tamin'i Pablo Loyola ao amin'nu Chile Movilizado, fitaovana famantarana toerana hanomezam-baovao momba ny hetsiky ny mpianatra shiliana i Elisa Moreno Gili ao amin'ny Periodismo Ciudadano.
Brazila : Manokatra Ivontoeram-panabeazana ho an'ny indizena ny Foko Breziliana iray
Ela ny ela ka nisokatra ihany ilay ivontoeram-panabeazana iray naorin'ny foko Paiter-Surui [en] any amin'ny faritra breziliana any Amazonia, izay hanome fanofanana arak'asa ireo indizena any amin'ny faritra. Manantena izy ireo fa hisy andiana tranobe hatsangana mba ho faritry ny anjerimanontolo ho an'ny foko Paiter-Surui any Brezila, tsy manam-paharoa any amin'ny firenena.
Saron'ireo Teny vahiny Maro Ny teny Nentim-paharazan'i Japana
Lehilahy lehibe iray 71 taona no nametraka fitoriana tamin'ilay Haino aman-jery NHK any Japana noho ny fahasahiranan-tsainy nateraky ny fampiasàn-dry zareo teny vahiny diso tafahoatra. Tena very tanteraka izy raha resaka fandikan-teny, nefa dia ao amin'ny tanindrazany ihany.
India : Ankizy Ampolony Namoy Ny Ainy Noho Fihinana Sakafo Misy Poizina Tany An-tsekoly
Lahatsoratr'i Chirag Sutar nadikan'i Naomy miresaka momba ny fanodikodinan-tsakafo miteraka fanafintohinana mahatonga fisiana sakafo voapoizina ity.
Lalao Video: Zaytoun, ankizy Mpialokaloka Syriana-Palestiniana
Nalaina avy amin'ny lahatsoratr'i Syria Untold ary nadikan'ny Global Voices teny Arabo. Zaytoun, ankizy mpialokaloka Syriana-Palestiniana, no mpilalao fototra amin'ilay lalao video noforonin'ireo vondrona mpikatroka Syriana, Palestiniana ary Espaniola. Amin'ny...