Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Mey, 2012
Bangladesh: Shawpno Rath – Sekoly Iray Ho An'ireo Ankizy Avy Eny Ambany Tanàna
Tao Dhaka, Bangladesh, dia andian-jatovo iray no nanomboka nametraka ny atao hoe 'Shawpno Rath' (KAlesin'ny Nofy), miaraka amin'ny tanjona fampidirana an-tsekoly ireo ankizy sahirana. Mino ilay vondrona fa soroka miara-milanja tsy azo ihodivirana amin'ny ady atao handresena fahantrana ny fanabeazana.
Andian-dahatsary: Miady Amin'ny Fanilikilihana ny Fitenin-Janatany
Ny tantaran’ny mpitolona sy ny fiarahamonina indizeny manerantany izay mijoro manohitra ny fanavakavahana sy manome vahaolana hanomezan-danja indray ny fitenin-drenin’ny indizeny no hoentin’ny andian-dahatsary Al Jazeera's Living the Language (Ny fomba iainan’i Al Jazeera ny Fiteniny) ho antsika.
Maoritania: Kapoka Mandrivorivo Nataon'ny Mpianatra Tamin'ny Prezidansa
Nanao fanambarana tsy nampoizina [ar] nandritra ny valan-dresaka nomanin'izy ireo sady nampitain'ny televizionam-panjakana Maoritaniana tamin'ny 3 Mey teo ny vondrona mpianatra Maoritaniana iray. Nambaran-dry zareo ary fa nanandrana nanolikoly azy ireo hampitsaharana ny tolony hitaky ny zon'ny mpianatra sy hampitsahatra ny hetsi-panoherana sy ny sit-ins isan-karazany ny chief of staff Isselkou Ould...
Bolivia: Atrikasa Web 2.0 Ho An’ny Mpampianatra Aymara
Andiana atrikasa Web 2.0 no notontosaina tao amin’ny departemantan’i Oruro ao Bolivia tamin’ny 2 Mey sy 3 Mey 2012. Nokarakarain’ny Minisitireran'ny Fampianarana sy ny tetikasa Jaqi Aru izany atrikasa izany. Tetikasa izay ahitana vondrona mpandalina teny ao an-tanànan’i El Alto, Bolivia. Nampiroborobo ny fampiasana ny teny Aymara tamin’ny aterineto ity vondrona ity. Maro...
Lahatsary: Fahafahana Manangana Mandritra Ny Fanazarana Manao Media Ao Amin'ny Rising Voices
Nanatontosa ny atrikasa fandraisam-peo ny tetikasa Karen Border News eo amin'ny sisintany manelanelana an'i Myanmar sy i Thailandy, vatsian'ny Rising Voices.
Arzantina: Manova Ny Manodidina Amin'ny Alalan'ny “Hangara” Ara-Kolontsaina
Eo an-dalam-panovana ny manodidina azy amin'ny alalan'ny kolontsaina, zavakanto ary ny fitaovana fampitan'olo-tsotra vaovao ny "Hangara"n-kolontsaina Piedrabuenarte miorina amin'ny tanàna manamorona an'i Buenos Aires, Arzantina. Resadresaka momba izany
Lahatsary: Asehon'ny Robot Antsika Ny Fomba Hiarovan-tena Ao Amin'ny Aterineto
Lalana sarotra izay matetika saro-takarina tsy hay hoe atao ahoana ny fiarovan-tena ety amin'ny aterineto. Miezaka ny mampahafantatra ny olona ny Tactical Tech Collective ny amin'ny mba hiarovany tena amin'ny aterineto, amin'ny alalan'ny fampiasana torohevitra an-tsarimihetsika, izay azo jerena amin'ny aterineto na sintonina ho anaty solosaina, miaraka amin'ny robot kely...
Kolombia: Zazalahy 12 Taona Maty Noho Ny Vono Nahazo Azy Tany Am-pianarana
Zazalahy kely 12 taona no maty herinandro lasa izay noho ny vono nahazo azy tamin'ny fiarovany ny mpiara-mianatra taminy. Na dia nanambara aza ny mpitsabo mpahay lalàna fa aretin'ny taolana no nahafaty azy, nandà izany fanapahan-kevitra izany ny reniny [es] sy ireo manam-pahaizana vitsy [es] ary nilaza fa ilay fidarohana...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...