· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Jolay, 2018

Azerbaijan : Miverina amin'ilay famonoana nitranga tao amin'ny Ivontoeran'ny Solitany

''Tena ela fiparitahana [tao Azerbaijan] ny vaovao mikasika ilay loza nitranga tao Bakou tamin'ny faran'ny volana lasa teo, ary fanontaniana maro no mbola tsy misy valiny. ... Azo antoka fa tamin'ny marainan'ny 30 aprily 2009, olona 13 no maty nandritra ny fitifirana nahafaty tao amin'ny Ivontoeran'ny solintany azery (Azerbaidjan State Oil Academy)..  

31 Jolay 2018

Haiti: Firodanan'ny sekoly iray tao Haiti

''Tsy nanakana ny vaovao hitranga ny zava-misy fa tsy nila loza hafa i Haiti. Momba ny firodanan'ny sekoly iray tao Pétionville izany amin'ity indray mitoraka ity, izay niteraka fahafatesan'ny ankizy maro, ary olona maro tsy voatanisa naratra. Nihazakazaka hanolotra ny fiarahamiory sy ny fanohanany an-tambajotra ireo blaogera haitiana.''

22 Jolay 2018

Inona no lazain'ny bilaogera momba ny ambanivohitr'India?

Rehefa namaky bilaogy samihafa aho dia matetika izany no milaza fa mampiseho ny fisainan'ny olona saranga antonony ny famahanana bilaogy ao India. Dia tena nieritreritra tokoa aho noho izany raha marina ny lazain'ny bilaogy Indiana mikasika ireo lohahevitra tsy momba ny sarangan'olona antonony na momba ny tanandehibe sy ambanivohitr'i India.

17 Jolay 2018

Hatezerana sy loza tao UCLA, Vono olona tao Iran

Araka ny tatitra tamin'ny haino aman-jery, imbetsaka torana noho ny fandoroana azy tamin'ny herinaratra (taser) i Mostafa Tabatabainejad, mpianatra UCLA ary avy eo noentina notazonina rehefa tsy nahavita niala ny Laboratoara CLICC tao amin'ny Tranomboky Powell ao UCLA tamin'ny fomba ara-potoana.

14 Jolay 2018

Ilaina ve ny GCE O’ Levels anglisy sa tsia? Inona no olana?

Ny herinandro lasa teo, namoaka taratasy tao amin'ny pejiny Fanehoan-kevitra ny taratasy iray tao amin'ny Borneo Bulletin, gazety tokana amin'ny teny Anglisy ao amin'ny firenena, izay mitaky amin'ny governemanta Broneiana mba hanafoana ny fanadinana GCE O' Levels anglisy hosoloina amin'ny taratasim-panadinana "namboarina ao an-toerana".

05 Jolay 2018