Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Marsa, 2015
Andron'ny Vehivavy Maneran-tany: Daty Iray, Zava-mitranga An-davitrisany
Na dia ireo vondrona mpiaro ny ara-tsosialy aza no voalohany nanely ilay fety maneran-tany, ary miompana bebe kokoa amin'ireo vehivavy miasa, samy manana ny endriny any amin'ny tany samihafa manerana ny tany ilay andro ankehitriny.
Ireo Zazakely Mahazo Zazakely: Tsy Misy Sekoly Ho An'ireo Vady Tanora Any Nepal
Ny taona lasa teo, latsaky ny 15 taona ireo mpanambady miisa 4.000 tao Nepal. Any amin'ny faritra sasany, ambany toerana ao atsimon'ny firenena, ny antsasany maherin'ireo fanambadiana no nahitàna ankizy vavy latsaky ny 12 taona.
Nahoana No Heverin'ny Mpianatra Ho Tsy Mahavita Mitsabo Ny ‘Fanabeazana Miendrika Apartheid’ Ao Shily Ireo Fanovàna
Voararan'ny lalàna iray vaovao ao Shily ny fakàna tombony, sarampianarana, ary fifantenana eo am-pidirana any amin'ìreo sekoly tsy miankina sy ambaratonga faharoa izay mahazo fanampiana avy amin'ny fanjakana—nefa milaza ireo mpianatra fa mbola betsaka noho izany no tokony hatao
Nahazo Fanohanana Manerantany Ireo Mpianatra Mpanao Fihetsiketsehana Ao Myanmar Notafihan'ny Polisy
Notafihan'ny polisy tamin-kerisetra mahery vaika tamin'ny 5 Martsa sy 10 Martsa ireo mpianatra Myanmar mpanao fihetsiketsehana - manao diabe hoan'ny fanovana ny fanabeazana nanomboka tamin'ny volana Janoary.
Sariitatra Manameloka Ny Herisetra Nataon'ny Fanjakana Tao Myanmar Taorian'ny Nanafihan'ireo ‘Polisy Jiolahimboto’ Ny Famoriam-bahoaka Nataon'ny Mpianatra
-"Any amin'ny firenenay, ofaninay ny alika mba hiambina ny fihetsika mahery setra." -"Any amin'ny firenenay, ofaninay hanao herisetra ny olona."
Mpanao Ady Totohondry Misandratra sy ny Takaitran'ny Adin'Andian-Jatovo ao Lyari, Pakistan
Avy any amin'ny tanàna amorontsirak'i Gwadar ao Balochistan i Talha Baloch. Saingy taorian'ny tsy fisian'ny fivoaran'asa tao dia nifindra tany Lyari, Karachi fanta-daza amin'ny famokarana mpanao ady totohondry mahay dia mahay izy.
Natao Hanasàna Atidoha Ny Ankizy Ao Hong Kong Ve Ilay Hira Manintona ‘Shina No Reniko’ ?
Indroa ny sekoly Katolika iray no nandefa ilay hira nandritry ny fivoriambe fanaony isan-kerinandro. Ahian'ny sasany amin'ireo ray aman-dreny hoe mariky ny ezaka ataon'i Hong Kong io hampidirana ilay "fanabeazana tia tanindrazana" ho ao anaty fandaharam-pianaran'ny sekoly io.
Balafomanga Mandeha Amin'ny Vatomamy? Nekena ny Fanamby!
Olona manerana an'i Japana no nandray anjara tamin'ny Tetikasa Balafomanga Vatomamy, miditra an-tsehatra amin'ny fandefasana balafomanga. Nampiakatra ny vokatra azo tao amin'ny lahatsary Youtube ny mpanamboatra vatomamy UHA Mikakuto .
Tonga Any Amin'ny Rafi-Panabeazan'ny Sekolim-panjakana Ao Puerto Rico Ny Fomba Fijery Ny Mitovy Lenta
"Na dia tsy ny tanjona farany aza izy ity, dia ho fitaovana mahazendana hanome vàhana ny zon'olombelona ao Puerto Rico ity dingana ity."
Olan'ny Fanabeazana Ao Pakistana, Tsy Misy Ilàna Azy Ny Adin'i Balochistan Amin'ny Fanaovana Hosoka

Miaraka amin'ny tahan-jaza 2 amin'ny 3 tsy miditra an-tsekoly, Nanao fampielezankevitra naherihery setra ihany ny governemantam-paritra tao amin'ny faritany lehibe indrindra ao Pakistan, Balochistan, mba hampiatoana ny fanaovana "hosoka" amin'ny fanadinana any an-tsekoly.