Hatezerana sy loza tao UCLA, Vono olona tao Iran

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Novambra 2006)

Araka ny tatitra tamin'ny haino aman-jery, imbetsaka torana noho ny fandoroana azy tamin'ny herinaratra (taser) i Mostafa Tabatabainejad, mpianatra UCLA ary avy eo nentina notazonina rehefa tsy nahavita niala ny Laboratoara CLICC tao amin'ny Tranomboky Powell ao UCLA tamin'ny fomba ara-potoana. Nangataka tamin'i Tabatabainejad ny Tompon'andraikitry ny Sampam-piarahamonina mba hiala rehefa tsy nahavita nanome karatra BruinCard nandritra ny fanamarinana kisendrasendra izy. Efa namoaka lahatsary mifandraika amin'ity tranga ity ny Global Voices, ary ankehitriny, mijery ny zavatra nolazain'ireo bilaogera Iraniana mikasika io tranga io. Toy ny mahazatra, samy hafa sy mahaliana ny hevitr'izy ireo.

Tanora Iraniana-Amerikana

Nandefa vaovao sy namoaka sary sy lahatsary maro momba ny fihetsiketsehan'ny mpianatra tao amin'ny anjerimanontolo i IranianTruth. Miresaka zavatra tena mahaliana momba ny Iraniana-Amerikanina ihany koa izy. Hoy izy

I think relevant, but unreported, to Mostafa’s abuse, is not the abuse itself, but the activism evidenced by the Iranian-American youth. Generally, most of us are first generation Americans. The Iranian community in America is a young one, and most of us born here are born to families who were born, raised and lived in Iran till 1979. As such, most of our parents were unaccustomed to the political nuances of America. It has only been recently, as my generation has become older, that the notion of Iranian-American political activism is taking root.

Heveriko fa tsy fanararaotam-pahefana ihany ny herisetra nihatra tamin'i Mostafa, izay manan-danja, nefa tsy voatatitra, fa fikatrohana nabaribarin'ny tanora Iraniana-Amerikana. Amin'ny ankapobeny, Amerikanina taranaka voalohany ny ankamaroanay. Ny vondrom-piarahamonina Iraniana any Amerika dia tanora ary ny ankamaroanay teraka teto dia teraka ho an'ireo fianakaviana teraka, nipoitra sy niaina tany Iran hatramin'ny taona 1979. Noho izany, tsy zatra loatra ny fironana ara-politikan'i Amerika ny ankamaroan'ny ray aman-dreninay. Vao haingana, satria miha-antitra ny taranaka niaraka tamiko, dia miorim-paka ny fotokevitra fikatrohana ara-politika Iraniana-Amerikana.

Tohina

Omid Memarian nanambara tao amin'ny blaoginy tamin'ny 21 Novambra fa hisy “fihetsiketsehana hanohitra ity “fanararaotam-pahefana” mahatsiravina sy manafintohina ity ao UCLA ary nilaza koa izy fa nanambara ny Filohan'ny UCLA, Norman Abrams fa hanao fanadihadiana mahaleotena momba ny tranga tao amin'ny Tranomboky Powell.

Tsarovy ny famoretana mpianatra any Iran

Jomhour mampahatsiahy antsika ny tranga hafa momba ny famoretana mpianatra tao amin'ny anjerimanontolo Iraniana sy ny fanararaotam-pahefana ataon'ny manampahefana . Hoy ilay bilaogera:

به تمامی این مواد می توان تحقیرها و برخوردهای نامناسب و گاها غیر انسانی مسوولان برخی دانشگاه ها را اضافه نمود که به واسطه ی قدرت خود از هر گونه پیگیری رهایی می یابند.
شايد هر کدام از ما در دوران دانشجویی خود خبر سو استفاده های جنسی و مالی بسياری را شنیده ایم که کمتر موردی منجر به برخورد با خاطی و یا خاطیان شده است. این دانشجو در فضایی زندگی می کند که همکلاسی هایش اجازه یافته اند برای اعتراض به حادثه ی پیش آمده تجمع کنند.
رسانه ها و مطبوعات آمریکا در اخبار خود به آن می پردازند و وکلای کشورش -توجه کنید که طباطبایی نژاد تبعه آمریکاست- آزادانه از او حمایت خواهند کرد

Amin'ireo [famoretana] rehetra ireo, afaka manampy ny tsy fahamendrehan'ny manampahefana isika ary amin'ny tranga sasany, fitondrantena tsy mendrika, izay ataon'ny fahefana mamela azy ireo malalaka hiriaria tsy misy fiampangana. Angamba, nandritra ny taom-pianarantsika, nahare ny momba ny fanararaotana ara-bola sy ara-pananahana isika. Saingy tamin'ny tranga vitsivitsy ihany, niatrika fiampangana ireo meloka. Ity mpianatra [Mostafa Tabatabinejad, UCLA] ity dia miaina amin'ny tontolo manodidina izay nitambatra ny mpiara-mianatra aminy ary nanao fihetsiketsehana taorian'ny zava-nitranga. Nitantara ny zava-nitranga ny media Amerikana ary hiaro azy ireo mpisolovava ao amin'ny fireneny- olom-pirenena Etazonia Amerikana izy.

Iza no meloka?

Nanoratra i Majid Zohari fa tamin'ny fijerena ilay horonantsary, tsy afaka milaza isika hoe iza no meloka ary iza no marina: ny polisy sa ny mpianatra. Nilaza koa ilay bilaogera fa, raha manana fitsarana an-tendrony momba an'i Etazonia ianao, dia hilaza fa ny polisy no diso. Saingy sangisangy ratsy ny fampitahana ny polisy Amerikana amin'ny Hezbollah Iraniana.

Herisetra masina ao Iran

FreeThoughts mampitaha ny zava-nitranga tao UCLA tamin'ny tranga heloka bevava tany Iran izay namono mpianatra ny mpomba ny governemanta Basiji. Hoy ilay bilaogera:

as it happens, when I decided to write this piece, I did a regular google search for the UCLA student's name in Farsi to see what Iranians are saying about him. Among the search results I found this: Tohid Ghaffarzadeh, a student at the Free University of Sabzevar, was stabbed to death by a Basij member (in Farsi) on November 13, a day before Mostafa was tasered by UCPD. The reason: Tohid was talking to his fiancée (or girlfirend, who knows?) in front of the University entrance, and the vigilante Basij member found that against “his religious beliefs” and acted “upon his religious duty,” according to the University's security chief. There was no news of the killing until yesterday, five days after the indicent, and then only on a web site that is filtered by the government inside Iran. Instead, the national state TV is running the news of the UCLA tasering for its propaganda value over and over again.

Raha ny zava-mitranga, rehefa nanapa-kevitra ny hanoratra ity lahatsoratra ity aho dia nanao fikarohana tao amin'ny google momba ny anaran'ilay mpianatra UCLA tamin'ny teny Farsi mba hijery izay lazain'ny Iraniana momba azy. Tamin'ireo valim-pikarohana, nahita ireto aho: Tohid Ghaffarzadeh, mpianatra iray tao amin'ny Oniversite Maimaim-poana ao Sabzevar, izay maty notsatohan'ny mpikambana iray ao amin'ny Basij tamin'ny antsy tamin'ny 13 Novambra, andro iray talohan'ny nandoroan'ny UCPD herinaratra an'i Mostafa. Ny antony: Niresaka tamin'ny fofombadiny (na sipany, iza no mahalala?) teo anoloan'ny fidirana ao amin'ny oniversite i Tohid, ary nahita ny mpikambana Basij fa “manohitra ny finoany ara-pivavahana” izany ka nanao ny “adidiny ara-pivavahana” izy, araka ny voalazan'ny lehiben'ny fiarovan'ny oniversite. Tsy nisy ny vaovao momba ny famonoana hatramin'ny omaly, dimy andro taorian'ny filazana, fa tao amin'ny tranonkala iray izay voasivan'ny governemanta ao Iran. Noho izany, ny fahitalavi-panjakana no nilaza ny vaovao momba ny fandoroana amin'ny herinaratra tao amin'ny UCLA ho an'ny fampielezan-keviny hatrany hatrany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.