Brezila: Tonga i Pontes, Astrônôty (mpanamory sambon-danitra).

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2006)

Nahitana fientanentam-po sy fanevatevana ny fanehoan-kevitry ny bilaogera Breziliana momba ny sidina an-habakabaka nataon'i Marcos Pontes, astrônôty  Breziliana voalohany.

Tamin'ny fiafaran'ny “hafaliana tsy hay faritana”; nientam-po tamin'ny resadresaka tamin'ny radio ham nifanaovan'i  Piauense tamin'i Pontes ilay mpandraharaha mpankafy radio any avaratra atsinanan'ny fanjakan'i Piauí:

IT'S TRUE… THE FOLLOWING TOOK PLACE THIS AFTERNOON (14:47 LOCAL TIME), 03 APRIL 2006. HAM RADIO OPERATOR JOÃO NETO (PS8PY) WAS THE FIRST RADIO AMATEUR FROM PIAUI TO MAKE CONTACT WITH BRAZILIAN ASTRONAUT MARCOS PONTES (PY0AEB). IT WAS AN INCOMPARABLE THRILL FOR JOAO. THE CONTACT WAS MADE IN VOICE ON FREQUENCY 145.800 (RECEIVING) AND 144.490 (TRANSMISSION). CONGRATULATIONS NETO, YOU'RE A GIANT AMONG RADIO AMATEURS!!!!!!!

MARINA IZANY … NITRANGA ANDROANY ATOANDRO (14:47 ORA AO AN-TOERANA), 03 APRILY 2006 ITY MANARAKA ITY. MPANDRAHARAHA AMIN'NY RADIO HAM, JOÃO NETO (PS8PY) NO MPANKAFY RADIO VOALOHANY AVY AO PIAUA MBA HIFANDRAY AMIN'ILAY BREZILIANA ASTRONOTY MARCOS PONTES (PY0AEB). HAFALIANA TSY MISY TOY IZANY HO AN'I JOAO IZANY. NATAO AM-BAVA TAMIN'NY MARI-DREFY 145.800 (FANDRAISANA) SY 144.490 (FAMPITANA) NY FIFANDRAISANA. MIARAHABA AN'I NETO, GOAVANA AMIN'NY SAMY MPANKAFY RADIO IANAO !!!

Tapitra!

Tamin'ny lahatsoratra tsy dia nanome lanjany, faly mahita Breziliana eny an-habakabaka i Daniel Ferreira da Silva, saingy manontany tena raha izao no fotoana mety hifantohana amin'ny haren'ny firenena amin'ny anjoria tahaka izao:

In other news: of course we were happy to see the first Brazilian astronaut, Marcos Pontes, carry out in first mission into space… It's also important that the government invest so that we can join the club of countries that send up astronauts (which today includes the United States, Russia, and China), which could happen in the longer term. But is this really something that's necessary today, and not in a more ?stable future? Perhaps this investment could be used for more urgent needs, like the development of Brazil's own space program, which is running a bit behind schedule? Something to think about. In any case, good luck to our space pioneer, on this the anniversary of the first flight of Santos Dumont.

Tamin'ny vaovao hafa: mazava ho azy fa faly izahay nahita astrônôty  Breziliana voalohany, Marcos Pontes, nanatontosa ny iraka voalohany teny an-habakabaka… Zava-dehibe ihany koa fa nampiasa vola tamin'izany ny governemanta mba hahafahantsika manatevin-daharana ireo firenena izay mandefa astrônoty ( izay ahitana an'i Etazonia, Rosia ary Shina tamin'ny fotoana nanoratana), izay mety hitranga mandritra ny fotoana maharitra. Saingy tena zava-dehibe ve izany ankehitriny, fa tsy miandry kely amin'ny hoavy marin-toerana kokoa? Angamba ity fampiasam-bola ity dia azo ampiasaina amin'ny filàna maika kokoa, toy ny fampivoarana ny programa an-habakabaka manokana ao Brezila, izay somary tratra aoriana? Zavatra tokony hoeritreretina. Na ahoana na ahoana, mirary soa ho an'ny mpisavalàlana an-habakabaka, amin'ity tsingerintaonan'ny sidina voalohany nataon'i Santos Dumont ity.

Tamin'ny lahatsorany “Pontes, Fitiavan-tanindrazana, Politika sy Vinavina “milaza ny tanora iray be fisalasalana fa raha midera an'i Pontess noho ny fampisehoana fa mety ho an'ny Breziliana ny hahatratra ny sori-dalana (orbite), voakarakara tsara kokoa ny vahoaka noho ny ezaky ny fampahalalam-baovao miezaka tsy mijanona amin'ny fampielezana ny siansa ao Brezila, indrindra amin'ny fankasitrahana ny asan'ireo Breziliana fizisiana tahaka an'i César Lattes:

It would be better if the press would explain the thoughts that have made it possible for him to be there. It wasn't the Catholic Church, it wasn't the President of the Republic. It's because of people like Newton, Godard, and even Sagan. It's an offense to the intelligence of these people to say that Marcos Pontes or any other astronaut conquered space or is closer to the stars. 350 km are insignificant compared to a light-year.

But what happens? Everyone thinks that getting into orbit is further than that, and no one makes the effort to understand the physical principles that are involved. Telescopes reach much further than Pontes every day. And no one makes the effort to inform the public how far they go. After all, there are people who have never been in orbit 350 kilometers above the lithosphere, but who deserve far more praise than Marcos Pontes. The people who are working on the reconstruction of the launch pad in Alcântara, for example. HOW MANY BRAZILIANS KNOW WHO CÉSAR LATTES WAS??! We're less worthy of recognition than Marcos Pontes, and Marcos Pontes is less worthy of re cognition than César Lattes.

Tsara kokoa ny gazety raha manazava ny eritreritra izay nahatonga azy ho tonga tao. Tsy ny Fiangonana Katôlika, ary tsy ny filohan'ny Repoblika. Fa noho ny olona toa an'i Newton, Godard, ary na i Sagan aza. Fanitsakitsahana ny faharanitan-tsain'ireo olona ireo ny filazana fa i Marcos Pontes na ny mpanamory sambondanitra hafa no nahazo ny habakabaka na akaiky kokoa ny kintana. Tsy misy dikany ny 350 km raha oharina amin'ny taona-fahazavana.

Saingy inona no mitranga? Mihevitra ny olona rehetra fa ny fahatongavana eny amin'ny sori-dalana dia mihoatra noho izany, ary tsy misy olona miezaka hahatakatra ireo fitsipika fizika tafiditra amin'izany. Lasa lavitra kokoa noho i Pontes isan'andro ny teleskôpy. Ary tsy misy olona miezaka mampahafantatra ny vahoaka ny halavirana vitany. Raha ny marina dia misy ireo olona izay tsy tonga teny amin'ny sori-dalana 350 kilometatra ambonin'ny litosfera, saingy mendri-piderana lavitra kokoa noho i Marcos Pontes. Ireo olona izay miasa amin'ny fananganana ny Alcântara, ohatra. FIRY AMIN'IREO BREZILIANA NO MAHAFANTATRA AN'I CESAR LATTES? Tsy mendrika fankasitrahana noho i Marcos Pontes isika, ary tsy mendrika fankasitrahana noho ny César Lattes i Marcos Pontes.

Nisy ny nilaza fa naka aingam-panahy mivantana avy amin'ny sidin'i Pontes ny mpanao politika sasany:

The day before yesterday in the embassy of China in Brasilia, when Lula saw the first Brazilian travel into space on TV, he couldn't contain himself and he said “That's the kind of trip I'd like to take…” … So I'm launching a campaign so that we can all help poor Lula in some way. HELP HIM REALIZE HIS DREAM OF BECOMING AN ASTRONAUT!

Afak'omaly tao amin'ny ambasadin'i Shina tany Brasilia, raha nahita tamin'ny fahitalavitra ny dia voalohany nataona Breziliana teny an-habakabaka i Lula, dia tsy nahafehy tena ka nilaza hoe: “Izany no karazana dia tiako hatao…” … Noho izany dia manomboka fanentanana aho mba hahafahantsika rehetra manampy an'i Lula mahantra amin'ny fomba sasany. AMPIO IZY HANATANTERAKA NY NOFINY HO LASA ASTRONOTY!

Toa tsy mpankafy Lula!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.