· Novambra, 2011

Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Novambra, 2011

Ejipta: Sambory ny Sisa Tao Amin'ny Fitondrana Teo Aloha

  08 Novambra 2011

Tamin'ny volana Aprily lasa teo, nandidy ny fandravana ny antoko politika nitondra ny firenena nandridra ny taona am-polony maro ny Fitsaràna Ejiptiana. Na izany aza dia mbola mijoro ireo mpikambana tao, ary nanolo-tena ho ao anatin'ny lisitr'ireo kandidà ho an'ny fifidianana parlemanta amin'ny volana Novambra. Jereo fa nifandray tànana ireo mpampiasa aterineto mba hampisehoana izany.

Palestina: Tafika Israeliana Nanakana Andian-tsambo tao Gaza Ary Nisambotra Mpitolona

  08 Novambra 2011

Miaramila Isiraeliana no nandeha sambo anankiroa hizotra ho any Gaza androany maraina. Sambo Kanadiana Tahrir (Fanafahana) sy irlandey Saoirse (Fahalalahana) no niainga ho any Gaza mba handrava ny fahirano ataon'ny Isiraeliana. Nitatitra tao amin'ny Twitter ny mpanao gazety iray fa sambo Isiraeliana mpitondra komando no nanakana ireo sambo ireo tao amin'ny fari-dranomasina iraisampirenena, manamorona an'i...

Ejipta: Tokony Hisarom-boaly Koa Ny Lehilahy!

  04 Novambra 2011

Niaraka tamin'ny fitroaran'ireo Islamista talohan'ny revolisiona, nitombo ny tahotra ny hisian'ny faneriterena ara-pinoana teny anivon'ny tanora, ireo vitsy an'isa ary ny vehivavy. Vondrona Facebook iray mandrisika ny lehilahy hitafy Hijab na voaly, ho fanehoana firaisankina amin'ny vehivavy no vao avy nandom-baravarana. Ireto misy fanehoan-kevitra vitsivitsy avy amin'ny fandraisan'andraikitr'ireo Ejiptiana sy Toniziana mpampiasa aterineto.

Egypt: Nosaronan'ny Salafista Ny Sarivongana Zazavavindrano Ao Alexandria

  02 Novambra 2011

Nosaronan'ny Salafista ny sarivongana zazavavindrano iray tao Alexandria, Ejipta, izay nahatonga tsikera sy filazana fahadalana avy amin'ny mpisera. Notaterin'ny mpisiokantsera fa nosaronan'ny Antoko Salafista Al Noor, izay nanao fivoriana teo akaiky teo, ilay sarivongana. Manazava i Farah Saafan: @FarahSaafan: Salafis had a meeting close to a mermaid statue in Alexandria.. Ended...

Ejypta: Mpitoraka Bilaogy Alaa Abd El Fattah Notazomina 15 Andro

  02 Novambra 2011

Notazomina nandritra ny 15 andro ilay mpitoraka bilaogy mafana fo, Alaa Abd El Fattah, taorian'ny fandavany ny fanadihadiana tokony ataon'ny mpampanoa lalàna miaramila taminy, nolaviny izany fanadihadiana noho ny tsy maha ara-dalàna azy. Tonga tao amin'ny mpampanoa lalàna miaramila izy, niaraka tamina mpiserasera iray Bahaa Saber, nitangorona tao ivelany avokoa ireo...