Nosaronan'ny Salafista ny sarivongana zazavavindrano iray tao Alexandria, Ejipta, izay nahatonga tsikera sy filazana fahadalana avy amin'ny mpisera. Notaterin'ny mpisiokantsera fa nosaronan'ny Antoko Salafista Al Noor, izay nanao fivoriana teo akaiky teo, ilay sarivongana.
Manazava i Farah Saafan:
@FarahSaafan: Salafis had a meeting close to a mermaid statue in Alexandria.. Ended up covering the poor mermaid during the gathering
Mananihany i EngyG:
@EngyG: Covering a mermaid statue in Alexandria is definitely going to get us all to heaven. Can't wait. #Egypt #Alexandria #Salafis
Namaly i RachidH:
@RachidH: Forward to the 7th century
Tsy nino i Mostafa Hussein ka te-hahita mivantana:
@mosftasa: Do we have a statue of a mermaid in Alexandria? AND someone covered it with a Niqab? Links and photos please.
Namoaka porofo an-tsary tao amin'ny Twitter ny gazety Al Masry Al Youm.
Mampahatsiahy antsika ny Four Corners Media fa efa mahazatra loatra ny zavatra tahaka izany, ka nizarany ohatra avy any Iràka:
@FourCM: @JustAmira @nfm same happened in Nasiriyah in 2004, Sumerian female statues defaced for exposed breasts
Ny valiny avy amin'ny salafista amin'ny lova navelan'ny zanak'olombelona, ny kolontsaina ary ny zavakanto dia mampahatsiahy ny nataon'ny Taliban tamin'ny famotehana ny sarivongan'i Buddha tany Afghanistan tamin'ny 2001.