Sina: Tsy hatahorana ve ny “pastèque mipoaka”?

Volana vitsy lasa izay dia nilaza ny olana iainan'ireo mpamboly ao amin'ny faritanin'ny Jiangsu ny media sinoa, olana izay nilazan'izy ireo fa mipoaka ny pastèque amboleny vokatry ny fampiasana zezika sy akora simika tsy an-kiato. Tamin'ny 5 jolay 2011, nanamarina ny minisiteran'ny fambolena fa ny akora ampiasaina hampitomboana haingana ny pastèque dia tsy ahitana olana na dia kely aza satria kely fotsiny ny fako simika misy poizina avelany.

Nilaza koa ity minisitera ity fa hiteraka fahavoazana goavana ho an'ny tontolon'ny fambolena ny tsy fahazoana mampiasa akora simika hampitomboana haingana ny vokatra.

Pasteques mipoaka hita any atsinanan'i Shina

Araka ny voalazan'i Hutong tao amin'ny lahatsorany [zh], mipoaka ohatry ny baolina eny an-tanimboly ny pastèque. Ny akora simika nampiasaina hampitomboana haingana ny fambolena azy dia ny Forchlorfenuron, izay ara_dalàna ihany koa any Etazonia. Ary satria mampalemy ny voankazo izy ity dia tsy maintsy ampiarahana amin'ny akora simika hafa manome loko sy manamafy ny voankazo.

Don't blame the watermelons, according to the Ministry of Agriculture

Don't blame the watermelons, according to the Ministry of Agriculture

Indro ny famintinana ny fanadihadihana navoakan'i Caijing tao amin'ny Weibo [zh]:

【农业部:西瓜膨大剂毒性残留量低很安全】7月5日,农业部农药检定所相关负责人对我国个别地方出现的“膨大剂西瓜炸裂事件”作出正式回应,称植物生长调节剂的毒性和残留量非常低,只要按照批准使用方法使用,不会出现安全事故。如果不使用植物生长调节剂,农业生产就会出问题。http://t.cn/apCbAA

[Minisiteran'ny fambolena: tsy atahorana ny akora simika hanafainganana ny fitombon'ny pastèque ary kely fotsiny ny fako simika avelany] Tamin'ny 5 jolay, nitondra valiny ofisialy mahakasika ny “tranga niseho vokatry ny fampiasana akora simika fanafainganana ny fitombon'ny pastèque” ny solontenan'ny minisiteran'ny fambolena. Tao amin'ny fanadihadihana nataony no nanamarinany fa kely fotsiny ny fako simika aterak'ity fanafainganana ity. Raha manaja tsara ny fatra tokony hampiasaina ny mpamboly dia tsy misy tokony hatahorana eo amin'ny ara-tsakafo. Raha foanana tsy azo ampiasaina intsony ity fampitomboana ity dia ny tontolon'ny fambolena amin'ny ankapobeny mihitsy no ho sahirana. Fanadihadihadihana amin'ny antsipiriany hita ao amin'ny http://t.cn/apCbAA [zh]

Tsy manome toky ny mpanjifa mihitsy ity fanambarana am-pahibemaso nataon'ny minisitera ity. Ny mifanohitra amin'izay aza, sorena amin'ny tsy fahampian'ny fanarahan-dalàna mikasika ny fanampiana zavatra hafa any amin'ny pastèque ny olona.

Pastèque feno akora plastika

Ny tena mahatsiravina nitranga farany izao dia ny nahitana akora plastika tany anaty pastèque tany Jinan. Indreto ny ampahany amin'ny fanehoana izany pastèque izany tamin'ny fahitalavitra:

Ankoatra izay, mitsikera ny tsy fandraisana andraikitra eo anivon'ny minisiteran'ny fambolena ny mpiserasera namaky ny fanambarana nataon'ny minisiteran'ny fambolena. Indreto ny sasany amin'ireo fanehoan-kevitra navoaka tao amin'ny andiam-baovao [zh] tao amin'ny Sina Weibo:

焦然blog 你农业部只考虑你的农业生产了,别的不管了?还真是各司其职,希望你说的“安全”食品别都吃到你自己嘴里,最后蹬腿之前,宁可说是憋死的也别说是毒死的~ (7月6日 13:53)

@焦然blog: Tsy miraharaha olana hafa ankoatra ny famokarana ny minisiteran'ny fambolena. Tena resaka ambony latabatra fotsiny izany. Ny sakafo “azo antoka” araka ny famaritana nataonareo dia ho tonga any an-kibonareo ihany no hiafarany. (6 jolay 13:53)

@DQ肥龙 我们的ZF越来越…从字面意思理解,毒性肯定有,只不过是多少的问题;发新闻的目的不是为了处理事件,而是为了稳定生产;农业生产远比食品安全重要,一干人等不得以任何方式任何言论影响农业生产,钦此~~ (7月6日 13:48)

@DQ肥龙: Tena xxx mihitsy ny fanjakana aty amintsika. Raha raisina amin'ny antsipiriany ny fanambarana nataony dia hita fa azo antoka ny fanapoizinana, fa ny fanontaniana mipetraka fotsiny dia ny fatran'ny poizina ao anatiny. Tsy mikendry ny hamahana ny olana ny valandresaka ho an'ny mpanao gazety fa natao kosa hiarovana ny famokarana. Ambony lavitra mihoatra noho ny fahazoan'antoka ny sakafo hohanina ny fahabetsahan'ny vokatra. Tsy azon'iza n'iza atao ny mamotika ny famokarana , dia izay izany. (6 jolay 13:48)

林川-大脚八 我只想知道,我们每天吃的还有哪几种食物没有添加这剂那剂的?西瓜留一点土豆留一点猪肉留一点鱼虾留一点鸡鸭留一点,这些是不是都不会累加???(7月6日 12:37)

@林川-大脚八: Ny tiako ho fantatra fotsiny dia inona no sakafo fihinana isan'andro tsy ahitana akora simika? Akora simika kely fotsiny any anaty pastèque, any anaty ovy, anaty kisoa, trondro sy makamba, any amin'ny akoho sy ny gana, tsy hiandrona ao anatintsika ao ihany ve izany amin'ny farany? (6 jolay 12:37)

人民视点 植物生长调节剂不同于动物激素,莫恐慌。但现有管理制度不能保证不滥用,这是个问题。(7月6日 11:28)

@人民视点: Tsy mitovy amin'ny fampitomboana fampiasa amin'ny biby no fampiasa amin'ny zava-maniry. Tsy misy tokony hatahorana. Na izany aza tsy manana antoka ny amin'ny fatra nampiasain'ny mpamboly ny fanjakana. Izay no tena olana. (6 jolay 11:28)

苏格拉秀 不用农业生产就会出问题啊?这个比阳光和水还重要吗?农业部去shi吧!!还我们天然绿色的农产品!(7月6日11:20)

@苏格拉秀: Hidiran-doza ve ny fambolena raha tsy ampiasaina intsony ny fanafainganana ny fampitomboana ny vokatra? Zava-dehibe noho ny masoandro sy ny rano ve izany ireo akora simika ireo? Mandehana any ry minisiteran'ny fambolena!! Ny vokatry ny fambolena tena natoraly no ilainay! (6 jolay 11:20)

gloria98 专家以及相关负责人说的话,现在已经没人相信了……(7月6日 11:03)

@gloria98:Tsy mino ny fanjakana sy ny manam-pahaizana intsony ny olona… (July 6 11:03)

小武yeah 转发此微博:现在国人都已炼成金刚不坏之身,吃啥都无所谓啦,领导请放心!(7月6日10:21)

@小武yeah: namerina namoaka ity hafatra ity: Mafy tsara izao ny vavonin'ny Sinoa. Afaka mihinana ny zavatra rehetra, tsy raharahan'ny fanjakana izany! (6 jolay 10:21)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.