Arzantina: Mpamoron-kira Facundo Cabral Nisy Namono Tao Goatemala

Facundo Cabral no ha muerto, se inmortalizó

Fiorella FM (@superfiore)

Tsy maty i Facundo Cabral , maharitra mandrakizay ny lazany…

Fiorella FM (@superfiore)

Ny marainan'ny Asabotsy 9 Jolay,  nisy namono tao Goatemalà ilay mpamoron-kira malaza Facundo Cabral. Namoaka vaovao ahitana ity fehezanteny manaraka ity ny bilaogy Facundo Cabral:

Facundo Cabral murió baleado por desconocidos cuando se dirigía al aeropuerto local la Aurora después de una gira de conciertos. También fue herido su representante.

Alberto Cortez desde España ha expresado que Facundo fue confundido con un capo mafioso.

Novonoin'olon-tsy fantatra i Facundo Cabral raha nitondra fiara hamonjy ny seranam-piaramanidina ao La Aurora taorian'ny fitetezam-paritra. Naratra ihany koa ny mpiasany.

Nanambara i Alberto Cortez ao Espaina fa nafangaro tamin'ny jiolahy mafia i Facundo.

Our Facundo (Nuestro Facundo) del usuario Gilberto Viciedo en Flickr bajo licencia CC by 2.0

Ilay Facundo-nay (Nuestro Facundo) avy amin'i Gilberto Viciedo alalana mpisera Flickr, CC by 2.0

 

Memorias de la tierra, avy ao Arzantina, nanamafy fa:

La Premio Nobel de la Paz Rigoberta Menchú acudió hoy al lugar donde el cantautor fue asesinado por sicarios cuando se dirigía de un hotel hacia el aeropuerto internacional La Aurora, en la capital, de donde viajaría hacia Nicaragua.

Con lágrimas en los ojos, la Nobel de la Paz dijo a periodistas que Facundo Cabral “fue asesinado por sus ideales”.

Tonga tao an-toerana namonoan'ny mpikarama mpamono olona ilay mpihira nandritra ny fandehanana fiara hamonjy ny seranam-piaramanidina La Aurora, ao an-drenivohitra, saiky handehanany ho any Nikaragoà i Rigoberta Menchú ilay nandrombaka ny loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana.

Tamin-dranomaso no nanambaran'ilay nahazo ny lokan'ny Fandriampahalemana momba an'i Facundo Cabral ho “maty novonoina noho ny tarigetrany”.

Facundo Cabral dia teraka tany an-tanànan'i La Plata, Arzantina tamin'ny 1937 ary ny antom-piainany dia voamariky ny fandraisana andraikitra ara-pahany sy ara-piarahamonina goavana sy tamin'ny fihirana hiram-panoherana ho fitaovam-pampielezana ny hafany. Noho izay antony izay no nahatonga azy ho sesintany tany Meksika [es] tamin'ny 1976 nandritra ny  fitondra-miaramila Arzantina.

Nivezivezy tao amin'ny Twitter ny hevi-pitsipahana sy ny hirifiry vokatry ny toe-javatra, sy ny fanasongadinana ny andalana malaza sasany izay nipoitra haingana.

Any Madrid, Octavio Rojas (@octaviorojas) nanambara ny fahatairany nandre ny zava-nitranga:

Mierda! Mataron a Facundo Cabral! Qué mundo es éste en el que matan hasta a los poetas??!! Descanse en paz. Yo también quiero ser bombero

Oay le! Novonoin-dry zalahy i Facundo Cabral! Fa tontolo inona ity iainantsika amonoan-dry zalahy poeta ity??!! Mandria am-piadanana. Te-ho mpamono afo ihany koa aho

Avy any México, ny Dr. César Lozano (@drcesarlozano) nahatsiahy ny tafatafa nifanaovany tamin'ilay mpihira sady mpamoron-kira:

“Ama hasta convertirte en lo amado” Me dijo el gran #facundocabral en la última entrevista que le hice.

“Mitia mandrapahatonga anao ho ilay tiavina” izany no nolazain'ilay kalaza #facundocabral ahy nandritra ny tafatafa farany nifanaovako taminy

Any Kolombia, Prospectador (@prospectador) no manoratra:

Definitivamente en este mundo… matamos a todo aquel que asume el reto de ser mejor y creer que nosotros podemos ser mejores. #Cabral

Raikitra tanteraka amin'ity tany ity… vonointsika izay mirotsaka hanamby ho olona tsaratsara kokoa sy mino fa mety hahahavita ny tsara kokoa isika. #Cabral

Mahatsiaro ny iray tamin'ireo hafany tsy fanadino i Juan David Escobar (@Elreticente) avy any Medellín:

“Amo tanto la vida porque me costó tanto gozarla… Me costó mucho sentir que era protagonista y no una basura” Facundo Cabral.

“Tiako ny miaina satria sarotra ho ahy ny mankafy azy… Mafy tokoa izany mahatsiaro tena ho olombelona fa tsy toy ny fako” Facundo

Tao Però, @Losandespe namoaka lohateny tamin'ny sangan'asan'i Cabral ‘No estás deprimido, estás distraído’ (Tsy reran-tsaina amam-panahy ianao, fa varimbariana):

“No hay muerte… Hay mudanza. Y del otro lado te espera gente maravillosa”. #FacundoCabral @LosAndesPe

“Tsy misy ny fahafatesana… fa fifindrana any amin'ny tamin'ny toeran-kafa ihany. Miandry anao any ankoatra ny olona mahafinaritra” #FacundoCabral @Los AndesPe

José Manuel Gonzáles, (@JoseGonzales87) nilaza fat:

La vida no es acá. Hasta pronto, Facundo Cabral!

Tsy eto no tena fiainana. Amin'ny manaraka indray mihaona, Facundo Cabral!

Jorge Esteves (@esteves_jorge) nahatsiaro ilay mpihira John Lennon, izay nisy namono ihany koa:

Cabral fue un rebelde y levantaba las banderas de la paz, como Lennon. Los dos murieron a tiros

Tia nanohitra i Cabral ary tia ny sainan'ny fandriampahalemana, tahaka an'i Lennon. Samy matin'ny bala ry zareo

Avy amin'io firenena io ihany i Vesania Licantropia (@Vesania_Loba) sy i Tessy Mavila (@Piery71) nisiokantsera ny heviny.

Tamin'ny fiainany dia indray i Facundo Cabral no nisiokantsera, nosokajian'i Frank Villanueva (@Fr4nK_Fk) sy i Valia Barak  (@valiabarak), izay ilazany ny fahafatesana mpihira iray, Mercedes Sosa:

RT @valiabarak <@facundocabral: “La Negra no murió, se fue de gira”> EL UNICO TWEET DE FACUNDO. AHORA ÉL TAMBIEN ESTÁ DE GIRA, NO MURIÓ.

RT @valiabarak <@facundocabral[es]: “Tsy maty La Negra, lasa nitety faritra izy”> NY TWEET TOKANA AVY AMIN'I FACUNDO. ANKEHITRINY NITETY FARITRA IHANY KOA IZY, TSY MATY IZY.

Raha ao an-tsaina i Mercedes Sosa, Nanoratra avy any Nikaragoà i Edna Medina (@Enita5) :

Un 9 de julio nació la Negra de América, Mercedes Sosa, el mismo día muere asesinado cruelmente Facundo Cabral…

Tamin'ny 9 Jolay no teraka i ‘la Negra an'i Amerika’, Mercedes Sosa, ary tamin'izany daty izany no maty tampoka nisy namono i Facundo Cabral…

María Cristina Lozada (@MariaLozadax5) ihany koa dia nanasongadina ny kisendrasendran'ny daty.

Avy any Chile, Roberto Quiñonez (@RQ 80) sy i Alesi (@alesi18), ankoatra ny hafa maro no nisiokantsera ny fihetseham-pony.

Farany, avy any Goatemalà, Pablo Juárez (@PabloJuarezG) no nanoratra:

Como Guatemalteco, pido perdón a nivel mundial por la muerte de Facundo Cabral. Los chapines no somos así. Porfa denle RETWEET

Amin'ny maha- Goatemalteka ahy, mangataka famelan-keloka amin'ny sehatra maneratany aho noho ny fahafatesan'i Facundo Cabral. Tsy tahaka izao izahay Chapines. Azafady RETWEET

Azonao tadiavina ihany koa ny fihetseha-mpo hafa avy any Amerika Latina manontolo ao amin'ny Twitter amin'ny alalan'ny tenifototra #facundocabral sy #Cabral.

Teo ampamitàna ny fanoratana ity lahatsoratra ity moa no nandrenesanay tamin'ny alalan'ny valan-dresaka  tany Goatemalà [es] fa: “Hampodiana araka izay haingana any Arzantina ny nofomangatsiakan'i Facundo Cabral. Efa eo am-pikarakarana izany ny Masoivoho Arzantina.”

Avy eo, ny BBC Mundo namoaka izao [es]: “Andeha handray ny fiaran'ny hotely ho any amin'ny seranam-piaramanidina i Cabral, saingy niaraka tamin'i Fariña izay nanolo-tena hitondra azy” (maty novonoina ihany koa i Fariña ilay mpandraharaha niaraka taminy)

Loharanom-baovao mahaliana:


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.