Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Revolisiona tao Tonizia 2011.
Ny vokatra vonjimaikan'ny fifidianana tamin'ny 23 Oktobra tao Tonizia dia sahala amin'ny manome tombom-bato betsaka ho an'ny Antoko Islamista Ennahdha (Fahateraham-baovao). Tsy dia mazava loatra raha hahazo tanteraka ny isam-bato be indrindra ilay antoko. Ny Kaongresin'ny Repoblika no laharana faharoa, arahan'ny Vovonana Demaokratika ho an'ny Asa sy ny Fahalalahana.
Lotfi Zitoun, mpitarika ao amin'ny Ennahdha, dia namoaka izay zavatra andrasany tao amin'ny pejiny Facebook:
Alarabiya English nibitsika hoe:
Milaza ny antoko Islamista fa hoe nahazo seza 60 amin'ny 217 ao amin'ny Antenimiera Toniziana #Tunisia
Io dia avy araka ireo vokatra voalohany azo tamin'ireo fari-pifidianana sasany.
Na i Rached Ghannoushi, filohan'ny Ennahdha, aza dia milaza fa ny antokony dia ”tony fihetsika”, vantany vao nanomboka niparitaka ireo vokatra azo voalohany, naneho ny ahiahiny sy ny tahony ireo laika fa mety hanozongozona ny soatoavina maha-laika ny fanjakana Toniziana ireo mpandala ny nentin-drazana. Indreto ny sasany amin'ireo fanehoan-kevitr'izy ireo avy ao amin'ny Twitter
@hamdanih:
لوكان جا البوعزيزي حي راهو عاود حرق روحو..#tnelec
Raha mbola velona teo i Bouazizi, mety ho nandoro tena fanindroany indray@FeveDeCacao:Musulmane…voir les islamistes accéder au pouvoir me fait froid dans le dos. J'espère avoir tort. #Libye #Tunisie #Tnelec
Teratany Toniziana iray hafa no niantso mba hanajàna sy hanekena izay vokatra eo.
Béhéeddine HAJRI manoratra hoe:
après ce succès des premières élections libres .. maintenant le travail est lancé .. et au lieu d’insulter le peuple (c le cas malheureusement de la part de certains activistes qui se disent modernistes), il est grand temps d’analyser ces résultats .. de comprendre ce peuple pluriel ..
Manampy izy:
respectons les voix des autres et avançons avec ce pays qui découvre tout un nouveau monde …
@JuveSimo mibitsika hoe:
عندما اصطّف الشعب أمام الدوائر قالوا شعب مثقف وحضاري! وعندا اختار نفس الشعب النهضة تحوّل الى عربان متخلفة!! كفانا نفافا كفانا #tnelec
@IngMina_ tweets:
يا توانسي، اكبر امتحان ليك توا هو قبول النتائج حتى و لو كانت ضد اختيارك البارح #tunisia #tunisie #tnelec
Tsara ny anamarihana fa ny fanisàna ny vatom-pifidianana dia mbola mitohy, ary andrasana ho tafavoaka amin'ny Talata tolakandro izy ireny. Nifidy izay ho solombava-bahoakany ny Toniziana omaly, tao anatin'ny fifidianana volohany indrindra natao tamin'ny fomba demaokratika tamin'ilay antsoina hoe Lohataona Arabo.
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Revolisiona tao Tonizia 2011.