Tonizia: Andro fifidianana androany!

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Revolisiona any Tonizia 2011.

Mandia andro manan-tantara ireo Toniziana androany. Andro fifidianana izay handehanan-dry zareo any amin'ny birao fifidianana, hifidy “assemblée constituante” nasionaly, na ny antenimiera izay hisahana ny fanoratana lalàm-panorenana vaovao, sy ny famoronana governemanta vaovao.

Hifantoka any Tonizia ny maso rehetra androany, amin'izay antsoina hoe adina demokraika voalohany ho an'ilay antsoina hoe Lohataona Arabo.

Manodidina ny 11000 ireo kandidà, anisan'izany ny mpitoraka blaogy fito, mifaninana ho an'ny toerana 218 ao amin'ny antenimiera.

Mpifidy milahatra eo anoloan'ny masoivoho Toniziana any Parisy. Sary nozarain'i Imen Braham tamin'ny alàlan'ny pic.twitter.com

Manohy mifidy ireo Toniziana monina any ivelany. Imen Braham, mpitoraka blaogy sady mpilatsaka ho fidiana, dia nitatitra ny momba ireo filaharam-be tany Parisy omaly. Androany [23 Oktobra] dia misokatra  amin'ny 7ora maraina ny biraom-pifidianan any Tonizia ary hihidy amin'ny 7ora hariva, ora any Tonizia

 

Indreto misy santionany amin'ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter, amin'ny alalan'ny tenifototra #tnelec, ny harivan'ny androm-pifidianana:

@Sabbagh_Anas:
صبعك أزرق ؟؟ اذا انت تونسي #TnElec #Tunisie

Misy rano-manga ve ny rantsan-tànanao?? Toniziana ianao izany

Misy rano-manga ny rantsan-tànan'ireo avy nifidy – zotra nofidian'ireo komisiona Toniziana misahana ny fifidianana mba hisorohana ireo mifidy im-betsaka sy ny hala-bato.

@ahmedbn: Faly fa Toniziana  & mandray anjara amin'ny #tnelec ny 23 Oktobra. Tandremo sao tsy maharaka izany.

@souhail_:Très ému par le déroulement de l'élection de l'assemblée constituante en Tunisie. C'est un tournant historique #TnElec

Faly dia faly amin'ny fizotran'ny fifidianana ny “assemblée constituante” any Tonizia. Fiovàna manan-tantara izany

@Mimouna:Depuis quelque temps.. 2 jours plus précisemment, je me réveille avec un énorme sourire et une pensée : Nous votons! #Tnelec 🙂

Fotoana fohy izay..roa andro ny marimarina kokoa, nifoha tamin-tsiky lehibe aho, sy eritreritra iray: Mifidy isika!

@E_TunisieParis: allez voter les amis, notre Tunisie en a besoin, demain la fierté sera un sentiment commun qd la démocratie remplacera la dictature #tnelec

Mandehana mifidy ry sakaiza, mila antsika i Toniziantsika, rahampitso dia ho fihetseham-po iraisana ny rehareha rehefa hisolo demokrasia ny didy jadona

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Revolisiona any Tonizia 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.