Ny revolisiona Toniziana no nialoha ny revolisiona Ejypsiana, ary nanomboka tamin'izany, nanintona ny Ejypsiana ny tolona mankany amin'ny demokrasia nataon'i Tonizia. Ary ankehitriny ny Toniziana – na ao an-toerana na ivelan'i Tunisia – miomankomana amin'ny fifidianana ny mpikambana eo anivon'ny antenimieran-dalampanorenana izay hanendry ny governemanta vaovao ary hamolavola ny lalampanorenana vaovao ihany koa
Efa nanomboka nifidy telo andro mialoha ny fifidianana ao Tonizia ireo izay monina ivelan'i Tonizia, anisan'izany ireo monina any Ejypta.
@SoniaElSakka: 20, 21,22 Okt Andeha hifidy manerana izao tontolo izao ny Toniziana monina any ivelany. 3 androm-piravoravoana, nofy izay tsy mba nantenaintsika hotanteraka ta7ya [ela velona] Tunis #TNelec
Nessryne, Toniziana monina ao Kairo, ni-tweet ny fihetsehampony taorian'ny fifidianana voalohany teo amin'ny fiainany izao.
@nessryne: Amin'izao fotoana maharavo izao! milamina tsara ny birao fandatsaham-bato ao Cairo ary miresaka tsara avokoa ny olona saingy hentitra kosa. #Egypt #TneElec
@nessryne: Mila mangina aho! Tsy maintsy miasa aho anio! Ravoravo tanteraka ary FALY!!! #TneElec
Sonia El Sakka, Toniziana hafa ao Ejypta, nanoratra tao amin'ny bilaoginy:
Nifidy aho tao Tonizia 🙂
Nataoko izany … nifidy ihany aho farany … Vao voalohany teo amin'ny fiainako, lehibe tokoa izany fihetsehampo feno rehareha, hafaliana ary fanantenana goavana ho anao ry fireneko mahafinaritra … Hivavaka ho anao aho mba hahita ny làlana marina, Hivavaka ho an'ny fianakaviako mahatalanjona Toniziana aho, ny rahalahy sy ny anabavy mba hahita ny firenentsika araka izay efa niriantsika hatry ny ela be.
Feno fanantenana tanteraka aho ary tena faly, tsy ahoako izay eritreretin'ny olona.
…
Tiako ny firenena Tonizia izay nahaterahako, firenena nitsikiako voalohany, nitenenako voalohany ary NIFIDIANAKO voalohany 🙂
Nandritra izany, manaraka akaiky ny fifidianana ny Ejyptiana ary maneho ny hafaliany ihany koa amin'izany.
Amin'ireo firenena roa ireo (Tonizia sy Ejypta), mifototra indrindra amin'ny fandrafian'izy ireo amin'ny resaka baolina fandaka ny hevitry ny olona tsirairay manoloana ny hevitry ny hafa nandritra izay 30 taona lasa izay. Ankehitriny kosa, mahafinaritra tokoa ny mahita ny fomba fijerin'ireo Ejyptiana sasany an'i Tonizia, ao koa ny sasany izay niova hevitra vao haingana, ary nanjary nitondra aingam-panahy vaovao ny fitsidihana ireo firenena (Tonizia sy Ejypta).
Koa satria moa ny roa tonta, Tonizia sy Ejipta, no zokibe mpirahavavy niandohan'ny “Lohataona Arabo”, Ejyptiana maro no nanomboka mampitaha ny fomba fandehan'ny taorian'ny revolisiona eo amin'i Tonizia
@MahmoudAboBakr: الناس اللى بتقول تونس احسن مننا والثورة هناك سبقت ثورة مصر، طيب وهو فيه كتاب او كتالوج بيحدد مراحل الثورة وشكلها
Sehatra iray ahafahana manatsoaka lesona ihany koa ny fifidianana any Tonizia, amin'izao fifidianana efa akaiky ao Ejypta izao.
@TravellerW: Moa mba manaraka akaiky tsara ny fifidianana ao #Tunisia ny #Egypt-ians? Manomboka amin'ny hevitra momba ny fampielezan-kevitra ka hatramin'ny dokambarotra tsy misy lanjany, tsy maintsy MIJERY SY MIANATRA isika!!
Farany, na dia samy firenena miteny-Arabo aza izy ireo, matetika sarotra ho an'ireo izay mba te hanaraka ny antsipirihann'ny zava-mitranga ao Tonizia ny sakana amin'ny fahasamihafam-piteny.