· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Janoary, 2019

Nakaton'i Syria ny Wikipedia Arabo

GV Mpisolovava

Araka ny filazan'ny bilaogy anasonline, nakaton'ireo mpamatsy tolotra aterineto rehetra ao Syria ankehitriny ny fidirana ao amin'ny Wikipedia Arabo, endrika raki-pahalalana Wikipedia amin'ny teny Arabo

11 Janoary 2019

Nesorin'ny SourceForge Ny Lamba Nandrakotra

GV Mpisolovava

Tamin'ny Janoary lasa teo, tamin'ny andro izay nanaovan'i Hillary Clinton, Sekreteram-panjakana amerikàna, kabary momba ny fahalalahan'ny aterineto, nobahanan'ilay vondrom-piarahamonin'ny loharano misokatra, SourceForge, ny fahafahana miditra ho an'ireo mpisera ao Sodàna, Siria, Iràna, Kiobà ary Korea Avaratra, tafiditra ao anatin'ny ezaka hifandrindra amin'ny fepetra amerikàna momba ny fanondrànana harena sarobidy any amin'ireny firenena ireny. Ny Alahady, ,ilaza ny SourceForge fa nesorina ireo fibahanana, ary navoakany ny stratejiany vaovao hifandrindra amin'ny lalàna amerikàna.

11 Janoary 2019

MasoArabo: Tsia ho an'ireo Bilaogy ‘Manafintohina’

Mampirisika ireo mpanoratra bilaogy hitatitra ireo bilaogy 'manafintohina' ny Firaisamben'ny Bilaogera Arabo. Ny tanjona amin'izany dia ny hanapahana ny fihanaky ny fitaovana manafintohina anaty aterineto, izay lazain'ny firaisambe fa mandrahona ny fomba fisainantsika, ny fitsipi-pitondrantenantsika ary ny soatoavintsika.

01 Janoary 2019