· Janoary, 2013

Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Janoary, 2013

Avotsory i Bassel: Mpampiasa Aterineto Tandindonin-doza

GV Mpisolovava

Nahafeno 9 volana an-tranomaizina i Bassel Khartabil Safadi, mpamokatra rindrambaiko azo tovozina malalaka sady mpikatroka mafàna fo mpandàla demokrasia. Matahotra ny amin'ny ainy ny namany sy ny fianakaviany noho ny fitsarana azy any aminà fitsarana miaramila.

13 Janoary 2013

Alaoita Mpanampy Mpitsabo Miasa Aminà Hopitaly Sionita Ao Syria

Tamin'ny dia namakivaky ny faritra fehezin'ny mpihoko tao amin'ny faritanin'i Latakia, any amin'ny faritra Jebel Turkman, nihaona tamin'i Umyara, 34 taona, izahay, vehivavy iray Alaoita mpanampy mpitsabo miasa eny amin'ny hopitaly ambanivohitra. Tao Latakia, toerana tena mpanohana ny Filoha Bashar al-Assad, efa an-jato taona ireo Sionita sy Alaoita no niara-niaina. Ankehitriny, miaraka amin'ny ady mangotraka ataon'ny fitondrana tarihan'ny Alaoita sy ny Tafika Malalaka Siriana tarihan'ny Sionita ny betsaka, betsaka no matahotra ny mety hiparitahan'ny fifankahalàna eny amin'ireo sivily amin'ny alàlan'ny fitsitokotokona ara-pinoana.

09 Janoary 2013

Nitsoaka Tao Amin'ny Tafik'i Assad Aho Omaly

Ao anatin'ny fiaraha-miasanay amin'i Syria Deeply; miaraka mamoaka andian-dahatsoratra mandrakitra ny feon-tsivily voaforiporitra anaty fifandirana izahay, ahitana ny fomba fijerin'ny mpanoratra avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao momba ny ady.. Resadresaka nifanaovan'i...

08 Janoary 2013

F&V Miaraka Amin'i Michel Kilo: Fanantenana Kely Hisian'ny Vahaolana Ao Syria

Iray amin'ireo Siriana mpanohitra manana ny lazany i Michel Kilo, mpanohitra ara-politika ny Filoha Bashar Al Assad. Niakatra ho amin'ny toeram-boninahiny izy tao anatin'ilay Lohataonan'i Damaskaosy, famirapiratan'ny fahalalahana maneho hevitra sy ara-politika nandritra ny fotoana fohy tamin'ny 2000. Nandao an'i Syria valo volana i Kilo tao anatin'ilay revolisiona ary monina miaraka amin'ny fianakaviany any Parisy ankehitriny. Namaly ireo fanontanian'ny Syria Deeply tamin'ny alàlan'ny Skype izy.

05 Janoary 2013