Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Desambra, 2012
Mamono Syriana Milahatra Mofo Ny Hery an'habakabak'i Assad
Nanatanteraka tifi-danitra namono olona ny governemantan'i Syria – tamin'ireo Syriana nilahatra mofo tany amin'ny trano fivarotana mofo tany Halfaya, any Hama. Eo amin'ny 90 ka hatramin'ny 300 eo ireo olona...
Global Voices: Misy Dikany Ny Feo Tsirairay
Ny hevitra hoe misy dikany ny feo tsirairay dia tena mifanakaiky amin'ny hevitry ny Global Voices amin'ny maha-vovonana sy vondrom-piarahamonina azy. Raha nivondrona ny mpiserasera amin'ny aterineto hanao izay handrenesana ny feony amin'ny fotoana izay iadian'ireo manam-pahefana eto amin'izao tontolo izao hevitra ny amin'izay hitantana ny aterineto, nanapa-kevitra izahay ny hangataka amin'iro vondrom-piarahamonina samihafa misy anay mba handray anjara sy hiteny ny olana mafonja amin-dry zareo sy hanao jery todika ireo olana notaterintsika nandritra ny taona amin'ny fiheverana fa misy dikany ny feo tsirairay.
Syria: Mifampiraharaha Fandosirana Hita Tao Amin'ny Twitter
Taorian'ny tati-baovao nilaza fa nandositra tany Etazonia tamin'ny 25 Desambra ilay syriana mpitondra tenin'i Jihad Makdissi teo aloha, mpikatroka Rami Jarrah, fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe Alexander Page, izay namoaka sioka manokana...
Resadresaka: Mpialokaloka Syriana Bevohoka Anaty Hatsiakan'ny Ririnina
Resadresaka nifanaovan'i News Deeply sy i Ayesha, vehivavy mpialokaloka 29 taona miaina ao amin'ny tobim-pialokalofana Atma any amin'ny faritanin'i Idlib, avaratra andrefan'i Syria.; nilaza taminay ny mpanampy an-tsitrapo fa tena mitady rononon-jaza ry zareo.
Fanentanana #FastforBassel Hiarovana Mpiserasera Syriana Hiatrika Fitsarana Miaramila
Hiatrika fitsarana miaramila ao Syria i Bassel Khartabil, fantatra amin'ny anarana Bassel Safadi ihany koa, ary tsy navela haka mpisolovava izy. Tany am-ponja foana ity mpilatsaka an-tsitrapo manam-pahaizana manokana momba ny rindrambaiko misokatra...
Tafaverina Ny Aterineto Ao Syria Miverina koa Ny Mpisompatra ireo Mpikatroka Syriana
Niara-nanatontosa ny lahatsoratra izay efa navoaka voalohany tao amin'ny eff.org i Eva Galperin sy Morgan Marquis-Boire no . Tamin'ny herinandro lasa teo raha nanakatona ny aterineto manerana ny firenena nandritra ny telo andro...
Syriana 40.000 No Namoy ny Ainy Tao Anatin'ny 20 Volana
Vahoaka maherin'ny 4 tapitrisa no fantatra fa hila fanampiana ao Syria amin'ny fiandohan'ny taona 2013. Izany no lohateny navoakan'ny gazetin'ny Firenena Mikambana miresaka ny momba ny maha-olona ao Syria tamin'ny 11...
Syria: “Damaskaosy ity!”
Miaraka amin'ilay ady izay tsy mampiseho mihitsy marika fisiàna fitonitoniana ary ny serasera manjary miha-sarotra na tsy azo antoka intsony, nisy "fanentanana ho fanehoana firaisankina [ar] amin'ireo vahoaka Siriana" natomboka tao amin'ny aterineto. "This Is Damascus!" na "Damaskaosy Ity" no anarany
Niverina Nandeha Indray ny Aterineto ao Siria
Niverina nandeha indray ny aterineto ao Siria - na farafaharatsiny amin'ny toerana sasatsasany, araka ny voalazan'ireo Siriana any ivelany, izay niezaka fatratra te-hifandray amin'ireo hava-tsy foy nandritra izay telo andro tsy nisian'ny fifandraisana sy aterineto izay.