Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Septambra, 2015
Tantaram-pitiavana Syriana’ Manaraka Ny Fiainana Andavanandron'ny Fianakaviana Iray Nandritra ny Ady sy an-tSesintany
"Mihevitra aho fa ao anatin'ny fanamby ny hafatry ny fanantenana - ny fihantsiana fianakaviana iray, izay tafarina."
“Eto Izahay Manohana Anao”: Holandey Mandray Mpitsoa-ponenana
Nitambatra ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny Gara Afovoany ao Amsterdam mba handray sy hanohana ny fahatongavan'ny mpitsoa-ponenana. "Ny tsy nampoiziko hoy i Faten Busheri nanoratra dia ireo tantara nolazain'izy ireo tamiko."
Sariitatry Ny Charlie Hebdo Momba An'i Aylan Kurdi, Miteraka Andiana Adihevitra iray Hafa
Adihevitra iray vaovao indray momba ny fahalalahana maneho hevitra no nateraky ny sariitatra farany navoakan'ilay gazetiboky frantsay mpanaraby, momba ny olan'ny mpitsoa-ponenana sy an'i Aylan Kurdi, ilay zazakely siriana maty an-drano .
Netizen Report: Miteraka Fitiavana Sy Fankahalana Amin'ny Aterineto Ny Krizin'ny Mpitsoa-ponenana
Ao Hongria, Serbia sy Alemaina, nandray fepetra tamin'ny fanomezana finday, fahana, sy fidirana amin'ny Wifi ho an'ireo mpitsoa-ponenana ny mpilatsaka an-tsitrapo ao an-toerana.
Tahaka izao No Anaovan'i Tsetsenia Ireo Mpampiditra Ho ISIS
Asehon'ilay lahatsary ireo lehilahy Tsetsena tratra mampiditra olona ho an'ny ISIS aty anaty tambajotra sosialy, ary ireo zokiolona nikiakiaka tamin'izy ireo dia fianakaviany sy ireo mpitarika ny vondrom-piaraha-monina any an-toerana.
Siriana Mpitsoa-ponenana Maniry Fanangonam-bola Ho An'ny Toeram-pisakafoanany Ao Brezila
Manao izay hanatanterahana ny nofinofiny vaovao Breziliana ilay Syriana mpitsoam-ponenana Talal Al-Tinawi, amin'ny fanangonana famatsiam-bola mba hanokafana toeram-pisakafoana Syriana-Libane, mba hizaràna ny fitiavany mahandro amin'ireo eo an-toerana.
Tiorkia: Iharan'ny Onjam-panafihana Nefa Mitohy Ihany Ny Fitokonan'ny Mpitandro Filaminana Ao Afovoany Atsinanana
Koa satria mihalehibe hatrany ny ady sy fifandirana izay maharomotra an'i Tiorkia amin'ireo firenena manakaiky azy, dia miharatsy ny fandriampahaleman'ny mponina ao aminy.
Mividiana Penina Iray, Manavota Aina Iray. Nanainga Hetsika Fanangonam-bola Ny Raim-pianakaviana Siriana Iray
The #BuyPens campaign is a collaborative effort to help a Syrian refugee father, recently photographed selling a handful of pens in Beirut, Lebanon. ............. Ezaka Fiaraha-miasa iray mba hanampiana raim-pianakaviana Siriana mpitsoa-ponenana iray ny #MividianaPenina, fakàna sary vao haingana fivarotana ireo penina eran'ny tanana tao Beirut, Lebanon.
Polisy Serba Sy Zazalahy Siriana Velon-tsiky: Mampiseho Amin'i Eoropa Ny Nandraisana Am-pifaliana Ireo Mpitsoa-ponenana
Sary iray ahitàna polisy Serba mitrotro zazakely Siriana iray no nahazo dera avy amin'ireo mpampiasa media sosialy ary antenain-dry zareo mba ho fihetsika arahan'ireo polisy hafa koa
Taona Iray Lavitra An'i Siria
Inona no nitranga tamin'ny Siriana iray mpikatroka mafàna fo, sy ireo idealiny rehefa injay izy nialokaloka tany ivelan'ny fireneny rotiky ny ady?