· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Febroary, 2012

Syria: AFAKA i Razan Ghazzawi Sy Ireo Vehivavy Mpiara-miasa Aminy

GV Mpisolovava  20 Febroary 2012

Ilay Siriana bilaogera sady mpiaro ny Fahalalahana Maneho Hevitra, Razan Ghazzawi, izay voasambotra fanindroany indray tany ampiandohan'ity herinandro ity , dia nafahana ny Sabotsy teo niaraka tamin'irei vehivavy mpiara-miasa aminy. Ireo lehilahy mpiara-miasa aminy ao amin'ny Birao Foibe Siriana Ho an'ny Fahalalahana Maneho Hevitra ao Damaskaosy dia samy mbola voatana any am-ponja avokoa.

Syria: Razan Ghazzawi Nosamborina … Indray

  19 Febroary 2012

nosamborin' ny mpitandro ny filaminana Syriana i Razan Ghazzawi, mpamahana bolongana sy mpitolona ho amin'ny fahalalahana maneho hevitra, miaraka amin'ny namany 13. Mitatitra i Hisham Almiraat.Syrian security forces have arrested Syrian blogger and freedom of speech advocate Razan Ghazzawi again, along with 13 of her colleagues. Hisham Almiraat reports.

Tontolo Arabo: Mandria am-piadanana Whitney Houston

  16 Febroary 2012

Niara ory tamin'izao tontolo izao ny Arabo tamin'ny fahafatesan'ilay mpanankato tsara feo Whitney Houston, izay hita faty tao amin'ny trano fandraisam-bahiny nipetrahany tao Beverly Hilton Hotel, 48 taona izy izao...