Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Marsa, 2016
Ny Fomba Anoheran'Ireo Syriana Mpikatroka Any Raqqa Ny ISIS
Vondrona olon-tsotra mpanao gazety milazalaza ny fiainana eo ambanin'ny fitondrana ISIS ao amin'ny tanàna Syriana ao Raqqa. Jereo ny fomba anoheran'ireo mpikambana amin'ny Raqqa is Being Slaughtered Silently (Tapa-tenda Tsikelikely i Raqqa) manoloana ny vondrona milisin'ny EI
Rehefa Betsaka Mpiady Avy Any Ivelany Loatra Ny Tanàna Syriana Ka Lasa Fiteny Mahazatra Ny Teny Anglisy Sy Alemàna
Feno mponina mpiady avy any ivelany maro loatra i Manbij ka ankehitriny lasa fiteny mahazatra ao amin'ilay tanàna kely ny teny Anglisy sy Alemàna.
Oniversite Belza Mandray Mpitsoa-ponenana
Manampy amin'ny fanombohana fandaharana ho an'ny mpitsoa-ponenana ao amin'ny Oniversite Afaka ao Bruxelles i Mohammed Salman, avy ao Syria.
#WhereisBassel (Aiza i Bassel) : Mbola Tsy Hita Ilay Mpahay Teknolojia Syriana Nogadraina

Dimy volana izay, nanjavona tao amin'ny fonja ao Damaskosy, nigadrany nandritra ny efa-taona ilay Syriana mpikirakira tranokala, Bassel Khartabil: Miaraha amin'ireo mpanohana azy ary alefaso ny fanontaniana #WhereisBassel (Aiza i Bassel) ?
Syriana Manamarika Ny Tsingerintaona Fahadimin'ny Revolisiona Amin'ny Alalan'ny Fihetsiketsehana Bebe Kokoa
Mihoatra ny dimy alina sy roa hetsy ny isan'ny Syriana maty nisy namono hatramin'ny nanombohan'ny fihetsiketsehana manohitra ny fitondrana dimy taona lasa izay. Na dia eo aza ny fielezan'ny famoniana, dia niverina an-dalambe ny mpanao fihetsiketsehana.
Manontany Ny Syriana Iray: Mahavita Mamono Olona Ve Aho?

"Isaky ny misy tantara midona amiko," hoy ilay mpikatroka Syriana Marcell Shehwaro, "dia mihena tsikelikely ao amiko ny fitokisan-tena fa olona sady tsy mahavita mamono aho no te-hamono olona."