Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Oktobra, 2012
Syria Anaty Fahapotehana
Mampiseho, mizara ary mandrakitra ho tahiry ny fitroarana tany Syria amin'ny alalan'ny fampirantiana sarim-pahapotehana ny mpaka sary Syriana manerana ny firenena. Na dia voafetra aza ny loharanom-pampahalalam-baovao dia mampihoronkoditra kosa ny zavamisy iainan'ny Syriana ao an-toerana
Tontolo Arabo: Mitovy i Obama sy Romney Mikasika An'i Syria
Nanana teny masiaka hozaraina ny mpiserasera Arabo rehefa avy niandry hatramin'ny vao maraimbe mba haneho hevitra mikasika ny adihevitra momba ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana teo amin'ny filoha Obama sy ilay...
Syria: Nogadraina Ilay Mpanao Sariitatra Satria Mitsikera An'i Assad
Nahazo sazy henjana ilay mpanao sariitatra Syriana sahy nampiseho ny toetran'i Bashar Al-Assad. Tamin'ny 25 Aogositra 2011, notaritaritina sy novonoinà telo lahy misaro-tava i Ali Ferzat, mpanao sariitatra malaza 60 taona,...
Syria: Revolisiona Mandeha Amin'ny Fiteny Maro
Tsy hoe tery an-tanin'ady ihany akory no nàka toerana ny Revolisiona tao Syria, teo anelanelan'ny làlana tao Daraa na ny toeram-pitiliana ao Aleppo. Fa misy koa ny ady goavana atrehan'ireo mpifanandrina, na ny mpanohana ny fitondrana izany, na ny mpanohitra, ety anaty aterineto, ahitàna taratra ny ady tsy misy indra fo ifamelezan'ny andaniny sy ny ankilany. Nitafatafa tamin'ny mpanangana ny pejy "La Revolution Syrienne en Français" (Ny Revolisiona Siriana amin'ny Fiteny Frantsay) izahay mba hahalalàna ny antony mandrisika azy ireo hanangana pejy toy izany amin'ny fiteny Frantsay manokana ary ny fomba eritreretin-dry zareo ho fandraisany anjara amin'ny revolisiona - amin'ny fomba virtoaly.
Tontolo Arabo: Ny Anjara-ratsin'Ireo Vehivavy Mpitsoa-ponenana Syriana
Satria mbola mitohy ny Revolisiona Syriana, mitohy miantraika amin'ireo mpitsoa-ponenana ny herisetra tao amin'ny firenena hatrany ny voka-dratsin'izany [Revolisiona], ny vehivavy indrindra no tena mandoa avo roa heny ny voka-dratsin'ny ady...
Tontolo Arabo: Voatsikera ny Fandaharan'asan'i Romney Momba an'i Afovoany Atsinanana
Notsikerain'ny mpiserasera manerana ny tontolo Arabo ny kabarin'i Mitt Romney momba ny politika ivelany . Mitohy hatrany ny fanontaniana ao amin'ny Twitter mikasika ny politika ivelan'i Etazonia ao Afovoany Atsinanana,...