Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Aogositra, 2012
31 Aogositra 2012
Vonjeo Ireo Toerana Lova Tandindonin-doza Ao Syria
Etsy ankilan'ny fitomboan'isan'ny maty, misy famonoana iray atao an'ireo lova ao Syria koa izao. Kely no mba resaka atao mikasika io olana io, na any anaty fampahalalam-baovao mahazatra na anatin'ireo media sosialy hoy i Thalia Rahme.
29 Aogositra 2012
Syria: Henatra Ho An'ny Fanovàna Ianao
Misy famantarana fito ho an'ireo "henatra ho an'ny fanovàna" - na fanovàna inona izany na inona. Ao amin'ny Twitter, manome ny lisitr'ireo famantarana ireo ilay Syriana @NMSyria.
27 Aogositra 2012
Frantsa, Libanona, Syria : Ny Dia Tsy Mampinon'ny Sidina Parisy-Beyrouth
Niala tamin'ny mahazatra ny sidina Air France Paris-Beyrouth tamin'ny 15 aogositra 2012 : izay nahitàna ny masoivohon'i Frantsa ao Libanona, sy olona ambony mpanohitra an'i Bachar al Assad tao anatin'ireo mpandeha taminy, navily nankany Damas mba hameno solika ! Hiverenantsika kely ity dia feno zava-tsy nampoizina nifamahofaho ity, izay niteraka...
16 Aogositra 2012
Arabia Saodita : Miaro Ny Haja Amam-Boninahitry Ny Vehivavy Siriana?
Ny 11 Aogositra dia nandefa bitsika i Bader Al Domiat avy any Arabia Saodita fa misy Siriana vavy mananontena manodidina ny 300 eo ho eo mitady vady. Niteraka hatezerana teo amin'ireo Saodiana mpikirakira aterineto ilay hafatra, izay niala tsiny tamin'ireo Siriana rahalahiny ary nanameloka mafy an'i Al Domiat, izay avy...
Syria: #InMySyria Ho Feno Fahalalahana Ny Arabe
Nanonofy maraina vao ho an'ny fireneny ireo Siriana mpikirakira aterineto, izay hifohan'ny vahoaka ny rivo-pahalalahana, hiaina anaty fitoviana ary ho nofiratsin'ny lasa sisa ny fisamantsamahana. Fantaro ny fomba fijerin'izy ireo ny ho avy amin'ny fampiasàna ny tenifototra #InMySyria ao amin'ny Twitter
11 Aogositra 2012
Libanona: Fifantohan-tsaina Ho Amin'ireo Olona Tsy Hita Sy Nalaina An-keriny
Ireo fakàna an-keriny tato ho ato, natao hatramin'ny nipoahan'ny Revolisiona Syriana dia nampimpongatra indray ny horohoro tsy miato sy nisarika indray ny saina ho amin'ny olan'ireo olona nanjavona tao Libanona.
10 Aogositra 2012
Syria: “Izaho No Nitoraka Bitsika Voalohany Ny Fialàn'ny Praiministra Riad Hijab “
Nilaza ny Syriana iray mpampiasa Twitter fa izy no namoaka voalohany ilay vaovao mikasika ny fialàn'ny Praiminisitra Syriana Riad Farid Hijab herinandro lasa izay. Mitondra ny solon'anarana hoe @THE_47th io mpampiasa Twitter io ary fantatra ihany koa amin'ny fanambarany fialàna hafa talohan'ny nanambaràn'ny media mahazatra izany.
09 Aogositra 2012
Syria: Fitsabahana Ara-tafika Sa Ady An-trano?
After the International Committee of the Red Cross announcement that it considers the conflict in Syria to be a full-blown civil war, Western media sites and bloggers launched a debate revealing the secrets of politics and war benefits of the global powers who are looking for their influence in the...
05 Aogositra 2012
MENA : Mandray Ny Ramadany
Vao nanomboka indrindra ny Ramadany, volana fahasivy ao amin'ny tetiandron'ny Silamo. Io dia fotoana ifadian'ireo Silamo hanina manomboka ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany, mba hanakaikezana kokoa an'Andriamanitra ary Hankalazana ny fahasoavany. Manerana izao tontolo izao, ireo Silamo dia nanao izay hakàna ny fanahin'ilay volana anaty sary maromaro, nizara azy...
04 Aogositra 2012
Tontolo: BRICS vs. NATO – Tolona Am-batolampy Momba Ny Hevitra Fitsabatsabahana
Ny fanapahan-kevitra vao haingana norasin'i Shina sy Rosia hampiasa ny vato tsy azo ivalozana tao amin'ny Filankevi-Pilaminan'ny Firenena Mikambana ho vahaolana ao Syria - dia nanainga indray ny adihevitra mikasika ny fifandraisan'ireo hery 'vaovao' tahaka an'i Brezila, Rosia, India, Shina ary Afrika Atsimo - ny BRICS - amin'ireo hery 'tranainy'...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...
Miarahaba an'i jentilisa. Ity no hasiako fanamarihana manokana "Tsy maintsy mahay manoratra amin'ny teny Frantsay ianao...