Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Desambra, 2015
Tantara fito tato amin'ny Global Voices be mpamaky indrindra nandritra ny taona 2015 (teny anglisy)
Tsy vitan'ny hoe nahasarika ny mpamaky indrindra ireto tantara manaraka ireto fa an-jatony ireo nizara, naneho hevitra, nankasitraka azy ireo tao amin'ny media sosialy sy ny haba-tranonkalanay.
Olontsotra tia manoratra gazety vao nahazo amboara nisy namono tao Idlib, Syria
Maty novonoin'olona misarontava tao avaratr'i Syria i Ahmad Mohamed Almossa, mpikambana iray ao amin'ny fiarahan'ny Syriana olon-tsotra tia manao gazety ao amin'ny "Raqqa is Being Slaughtered Silently" (RBSS), hoy ny fanambaran'ny vondrona tao amin'ny Twitter.
Mpihira Tajik iray miantso an'izao tontolo izao tsy hanadino an'i Aylan Kurdi
Antsin'iza no ao am-poko sy ny masoko? Firenena iza no ilevenan'ny vatako manirery?'
Dian'ilay Mpanao Gazety Olo-tsotra Ao Anatin'ny Tanànan'i Aleppo Ravan'ny Daroka Baomba An'habakabaka
Midika izany matetika fa mihazakazaka i Rami Jarrah mba hijery ny voka-dratsin'ny daroka baomba ao Aleppo, tahaka ny nataony vao haingana raha nihaona tamina raim-pianakaviana raiki-tahotra, mitaintainana mitady ny hava-tiany izy.
Tsapan'ny Fianakaviana Syriana Iray Nanorim-ponenana Ao California ny Fangatsiatsiahana Taorian'ny Toe-Javatra Tao Parisy
Miha-mahafinaritra ny fiainana ho an'ity fianakaviana Syriana nanorim-ponenana tao California ity, saingy miahiahy izy ireo fa mety tsy hahazo fahazoan-dalana ny fianakavian'izy ireo, izay manantena hihazo an'i Etazonia ihany koa atsy ho atsy.