Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Aogositra, 2014
Lahatsarin-Jazakely Syriana Avotra Avy Amin'ny Korotam-Baton'ny Trano Ravan'ny Baomba
Nandrava ny tranon'i Ghina, zazakely sy nahafaty ny reniny ny baomba barika . Avotra soa aman-tsary i Ghina, na dia efa sarona tanteraka tao ambanin'ny korotam-baton'ny trano rava aza.
Herintaona Tamin'ny 21 Aogositra, Notafihan'i Assad Taminà Fitaovam-Piadiana Simika i Al Ghouta
Raha mba androany fotsiny, nanoratra i Hiba Dlewati, andao mba hahatsiaro ireo Syriana efa ho 1.000 isa izay maty novonoin'ny fitondràn'i Assad tamin'ny entona.
Syriana Iray any Brezila: Tafatafa Niaraka Tamin'i Rami Alhames, Mpiara-miasa Ao Amin'ny Global Voices
Avy any Syria ka hatrany Brezila, avy amin'ny injeniera ka hatramin'ny fikatrohana mafana fo ary mifarana amin'ny Global Voices, manana ny tantarany tsara ho fantatra i Rami Alhames.
Notapahan'ny ISIS Ny Lohan'ilay Mpanao Gazety Nalainy An-keriny, James Wright Foley Tamin'ny Hafatra An-Dahatsary Hoan'i Etazonia
Navoaka androany ny lahatsary avy amin'ny Fanjakana Islamika ao Iraka sy Syria (ISIS) mampiseho ilay mpaka sary mpanoratra gazety Amerikana, James Foley Wright, izay nanjavona tao Syria nandritra ny 636 andro.
Mitohy Mahafaty Olona Ny Daroka Baomba Barika Ao Syria Na Dia Eo Aza Ny Fiampangana Iraisam-pirenena
Tsy noraharahian'ny governemanta Syriana ny fanapaha-kevitry ny Filan-kevi-piarovan'ny Firenena Mikambana mba hampitsahatra ny fampiasana fitaovam-piadiana "barikam-baomba", izay nararaka an-jambany tao amin'ireo faritra misy sivily.
Enjika Mpamosavy [Hazalambo] Elektronika ao Bahrain, Israely sy ny ISIS
Marobe ireo olona nosamborina sy nampijaliana tao Bahrain taorian'ny hazalambo antserasera hamantarana ireo mpanao fihetsiketsehana. Nampiasain'i Israely sy ny ISIS izany tetikady izany androany.