Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Avrily, 2015
Toby Yarmouk : Eo Anelanelan'ny Maritoan'ny Hanoanana Sy Ny Riandrianan'ny Mahery Fihetsika
Taorian'ny efa ho roa taona namelàna azy ireo ho faty, samy mifaninana mamono ireo izay mbola velona amin'ireo Palestiniana mpitsoa-ponenana ao amin'ny Toby Yarmouk any Damas, Syria ny Assad sy ny tafiky ny ISIS .
Tsiahin'ilay Lehilahy Eritreana Ambavahoanan'ny Fahafatesana Raha Namakivaky ny Ranomasina Mediteranea
"Tsy miezaka mba hanatsara kokoa ny fiainanay izahay, fa mba hatory amin'ny fandriana tsara kokoa...Fanontaniana fototra momba ny fototry ny zon'olombelona izany," hoy i Daniel Habtey.
Mitomany An'Ilay Japone Mpanao Gazety Mahery Fo Izao Tontolo Izao, Tapa-Doha Nohon'ny ISIS
Lavin'izao tontolo izao ny hahatsiahy an'i Goto miankina amin'izay nataon'ny Fanjakana Islamika azy. Ho takalony, maro ny olona tahàka an'i Karim no mankalaza azy noho ny fiaraha-mientana nananany niarahany tamin'ireo izay any amin'ny faritra misy fifanolanana
Siriana Bilaogera Voatsatoka Antsy Tao An-trano Tany Istanbul Taorian'ny Naharaisany Fandrahonana Tety Anaty Aterineto
Norahonan'ireo ankolafy Siriana samihafa tety anaty aterineto, nisy nanindrona in'efatra tamin'ny antsy tao an-tranony halina tao Istambul, Tiorkia, i Asaad Hanna, mpanoratry ny Global Voices. Efa mihatsara ny fahasalamany izao.