Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Mey, 2013
Olon-tsotra Mpanao Gazety Maty Teny Am-pandrakofana Fifandonana Tao Syria
Omar Qatifaan, 14 taona ary mpikatroka mafàna fo amin'ny resaka media, dia maty ny 21 May 2013 raha nanangom-baovao momba ny fifandonana teo amin'ny tafika Siriana sy ireo mpihoko avy amin'ny Tafika Malalaka "Free Army" tany amin'ny faritra atsimon'i Daraa al-Ballad any Syria, akaikin'ny sisintany iraisany amin'i Jordania.
Tiorkia: : Mpialokaloka Siriana No Voaheloka Taorian'ilay Fipoahana Tao Reyhanli
Ny 11 May, Reyhanlı [en] tanàna Tiorka kely any amin'ny sisintany manasaraka an'i Tiorkia sy Syria, no teo ambany fanafihan'ny mpampihorohoro. Io no fanafihana mpampihorohoro goavana indrindra [en] teo amin'ny tantaran'ilay firenena repoblikana 90 taona. Ireo mpisera ety anaty aterineto dia naneho hevitra mikasika ilay fipoahana, ny fandraràna iray napetraky ny governemanta amin'ireo media momba ilay zava-doza ary ny fikendrena ireo Siriana mpialokaloka naterak'izany
‘Syria Untold’ – Siria Tsy Voalaza : Fitantarana Ny Revolisiona Tany Siria
"Siria Tsy Voalaza" dia tetikasa media tsy miankina iray mitrandraka ny fitantarana ny tolona Siriana sy ireo endrika samihafan'ny fanoherana. Hiarahana amin'ny Global Voices Online ilay tetikasa.