Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Jona, 2011

30 Jona 2011

Siria: Revolisionan'ny Black Comedy

Black comedy dia iray amin'ireo fomba iresahana ny tranga mampihetsi-po. Izay niseho vao haingana tao Siria, nisian'ny rà nandriaka no sady nahaketraka ny maro, dia nitondra ihany koa tamin'ny firongatry ny bilaogy, ny pejy facebook ary ny lahatsoratra izay niezaka nanaraby ny zava-nisy, ary nampahafantatra sy nanasongadina ireo fanambarana ofisialy...

28 Jona 2011

Syria: Ny Revolisiona sy ny Toekarena

Tato anatin'ny 100 andro; tsy nandroso tsy nihemotra ny toekarena tao Syria. Ny vanim-potoanan'ny fizahantany vao mitsidika io dia tsy mamelom-panantenana.Fanampin'izany, an'aliny ireo Siriana velon'ahiahy ka namadika ny tahiriny hiala amin'ny "Syrian pounds" hanjary dolara amerikana na Euros, nahatonga ny vola Siriana hizaka tsindry mavesatra.

27 Jona 2011

Syria: “Manohana an'i Bashar izahay Koa Aza Helingelenin'izao Tontolo Izao”

Halan'ny olona rehetra i  Bashar El-Assad. Halan'ny lehilahySyriana izy. Halan'ny vehivavy Syriana izy. Na dia ny lehilahy zavoto Amerikana mahita azy ho toy ny vehivavy Syriana mitia vehivavy aza, dia mankahala azy ihany koa. Kanefa, marina tokoa ve fa tsy mankahala azy mafy toy izany ny Syriana sasantsany araka ny fihevitsika?...

26 Jona 2011

Syria: Sainam-pirenena mirefy 2.3km Tamin'ny Fihetsiketsehan'ireo Mpomba Ny Fitondràna Tao Damaskaosy

Nanao fifamoriana ho fanohànana ny filoha Bashar Al Assad ireo Siriana mpanohana azy ny 15 Jona, nitondra sainam-pirenena mirefy 2.3 km tao Mezzeh, renivohitr'i Damaskaosy, sady niventy ny hoe "Mila an'i Al Assad ny Vahoaka.” Eto ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo tambajotra sosialy.

24 Jona 2011

Syria: ” Tahaka ny hoe firenena roa i Syria – amin'ny zavamisy roa samihafa”

Nahazo alalana tamin'ny fomba ofisialy hiditra eto syria ny CNN ary misiokantsera mivantana avy ao Damasy i Arwa Damon, telo volana hatramin'ny nisian'ny fihetsiketsehana hanongana ny fitondran'i Assad. Nanakatom-baravarana tamin'ny fampitam-baovao Arabo sy Iraisampirenena i Syria. Toy izao ny tsikaritr'i Arwa Damon voalohany.

23 Jona 2011

Syria: Nandao Ny Orinasany Ny Rahalahin'i Al Assad Fa Hanao Asa Soa.

Ny 16 Jona, ankatoky ny Zomam-pihetsiketsehana vaovao tao Syria, nanambara ny fahitalavi-panjakana Syriana fa handao ny orinasany ilay  mpandraharaha Rami Makhlouf, 41 taona, ka hiditra amin’ny asa fanasoavana. Nasser H. Al-Shaikh no voalohany nitatitra ny vaovao milazalaza izany tao amin'ny Twitter izay nanatsongany ny voalazan'ny fahitalavi-baovao Arabiya: AlArabiya: lehilahy mpandraharaha...

16 Jona 2011

Syria: Mitohy Ny Famoretana Na Eo Aza Ny Antso Iraisam-pirenena

Mitohy ny hetsi-panoherana manerana an'i Syria, ary tsy mampiseho fihetsika hilefitra ho fampiatoana ny herisetram-pamoretana ataony mihitsy ny fitondràna Siriana na eo aza ireo antso avy amin'izao tontolo izao.. Maneho hevitra ao amin'ny Twitter ireo mponin'i aterineto momba ireo fivoaran-draharaha faramparany.

08 Jona 2011

Syria : Bilaogeran'ny ‘Gay Girl in Damascus’ nalaina ankeriny

Nanjary nalaza be vetivety i Amina Arraf izay nisy naka an-keriny. Mi-bilaogy amin'ny solon'anarana hoe Amina Abdullah. Manoratra momba ny politika, ny fikomiam-bahoaka vao haingana teo ary ny maha-vehivavy mitia vehivavy azy ao Syria.

04 Jona 2011

Syria: Fahatapahan'ny Aterineto?

Mirongatra ao amin'ny Twitter ny filazana fa mety misy fahatapahana ankapobeny ny aterineto manerana an'i Syria androany (Zoma). Manohy ny fihetsiketsehana hatrany ny Syriana manohitra ny fitondran'i Al Assad sy ny habibiana ataony amin'ny Syriana. Natao ny fihetsiketsehana Zoma hanamelohana ny fanafihana natao tamin'ireo zaza Syriana. Ny sasany milaza ny...