Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Avrily, 2014
Syria: “Roa Taona Aty Aoriana, Mbola Tsy Milamina Izahay “
Asehon'ilay Syriana Hiba Diewati ao amin'ny lahatsoratra tsy maintsy vakiana ao amin'ny Facebook ny toe-draharaha ao amin'ny fireneny amin'ny tsingerin-taona fahatelon'ny fitakiana fiovàna Syriana.
Ray Syriana Iray Miantso Ny Raharaham-bahiny Britanika Hampihaona Ny Zananilahy Aminy
Niditra Twitter i Wael Zain, Syriana monina sy miasa ao London mba hisarika ny saina manoloana ny mahazo ny zananilahy dimy taona, Maudh, izay mizaka ny zom-pirenena britanika ary tafahitsoka ao Syria nandritra ny telo taona.
Ny Tambohoben'i Berlin Ho Anay Ao Siria
"Siriana Mpianatra Mikatsaka Hoavy Mendrika Kokoa" dia bilaogy tantanan'ireo Siriana nahazo vatsim-pianarana, izay mizara ny alahelony ny tany niaviany, ny fanantenany, ny fisalasalàny, ny ahiahiny, ny fahatokiany ary ny fanirian-dry zareo hisian'ny Siria mendrika kokoa.
Molhem Barakat: Tanora Mahery Fo Lavo Tao Siria
Araka ny vaovao dia nisy namono i Molhem Barakat, mpaka sary tsy miankina niasa ho an'ny Reuters, raha toa ka nitatitra ny ady nisy teo amin'ny fanjakan'i Bashar Al-Assad sy ireo mpikomy tany amin'ny Trano Fitsaboana Al-Kindi ao Aleppo. 18 taona monja izy.