Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Aogositra, 2011
Tontolo Arabo: “Assad, Ianao no Manaraka an'i Gaddafi!”
Eo andala-pahataperana haingana ny fitondran'ny mpitari-tolona Libyana Muammar Gaddafi, dia mivantana any amin'ny filoha Syriana Bashar Al Assad indray ny fampitandreman'ny mpisera Twitter ary mitaky ny hialany amin'ny fitondrana ihany koa. Misiokantsera i...
Siria: Famoriam-bahoaka Any Amin'ny Tanàn-dehibe Maneran-tany, Manohitra Na Momba An'i Bashar
Heno maneran-tany ny momba ireo hetsika any Siria. Nivory tany amin'ny ankabeazan'ireo tanàn-dehibe maneran-tany ireo Siriana anaty fikambanan'ny zanaka am-pielezana, na mitaky ny fionganan'i Bashar Al Assad sy ny fitondràna izany, na mihirahira ny fitiavany azy. Jereo ity fanangonana lahatsary ity mampiseho ireo fihetsiketsehana maneran-tany.
Syria : Ramadan mitohy, vono olona mitombo
Mitohy mpandritra ny Ramadany ny fihetsiketsehana miantso ny "fialan" 'ny filoha Bachar Al Assad any Syria. Nitombo ny isan'ny maty ary mitohy ihany koa ny resabe manerana ny tontolo Arabo.
Syria: Afaka Misoroka Famonoana Ve Ny Bitsika?
Taorian'ny andro ratsin'ny herisetra hitan'i Siria hatramin'ny nipoahan'ireo hetsi-panoherana nanerana ny firenena tamin'ny Febroary, nanomboka ezaka hisarihana ny sain'izao tontolo izao amin'ny zava-mitranga ao amin'ny firenena ireo Siriana mpanohitra sy ny mpanohana azy erak'izao tontolo izao, mampiasa ny tenifototra iray, #RamadanMassacre, izay natomboka ny Alahady teo mba hanarahana ireo tatitra avy any amin'ny tanànan'i Hama.
Syria: Miditra An'i Hama Ny Fiara Mifono Vy Ny Hariva Mialoha Ny Ramadany
Ny hariva mialoha ny Ramadany, niditra ny tanànan'i Hama ny andian-tafika Syriana, ary voalazan'ny tatitra fa namono olona betsaka efa ho 45 teo amin'ny tamin'ny 11:00 antoandro teo ny Alahady 31 Jolay