Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Avrily, 2012

29 Avrily 2012

Syria: Nanao “Fiaikena” Tamin'ny Fahitalavitra Ilay Mpikatroka Ali Mahmoud Othman

Nosamborina ilay mpaka sary sady mpikatroka Ali Mahmoud Othman, lehiben'ny birao fampahalalam-baovao an'i Baba Amr ao Homs, tamin'ny 28 Martsa. Mihevitra ireo mpikatroka namany fa niaritra fampijaliana mafy izy hatramin'izay nisamborana azy izay. Nanambara ny fahitalavi-panjakana Syriana fa handefa fandaharana momba ny resadresaka manokana hiarahana amin'i Othman izy amin'ny 25 Aprily. Tamin'ny fandaharana fampahafantarana...

22 Avrily 2012

Tontolo Arabo: Ireo Teknolojia Niasa Nandritra Ny Fotoanan'ny Revolisiona

Efa niteraka adihevitra ny  fanovana nentin'ny fifampitam-baovaon'olo-tsotra sy ny teknolojian'ny finday teo amin'ny fitroarana Arabo. Na inona na inona anefa ny fehin-kevitra avy aminao, azo heverina tokoa fa nampiasa ireo taranjan-teknolojia vaovao ireo ny mpikatroka ary hitarataratra ny sasantsasany amin'izy ireny isika amin'ity lahatsoratra ity. Mitatitra ny fisamborana anao Maro ny bilogera...

17 Avrily 2012

Syria: Voasambotra tany Damasy i Safana Baqleh, ilay “Harpan'ny Fahafahana”

Rehefa voasambotra i Rima Dali ny 9 Aprily noho ny fihazonany sora-baventy mirakitra ny teny "Aoka izay ny famonoana. Te-hanangana firenena iray ho an'ny Siriana rehetra izahay", dia ny mpitendry zava-maneno Safana Baqleh no olona voalohany indrindra nihazakazaka hiaro azy sy niezaka hanakana ny mpitandro filaminana haka azy iaraka amin'izy...

12 Avrily 2012

Podcast Global Voices: Ny Lafy Tsara Sy Ny Lafy Ratsin'ny Fanentanana Antserasera

Amin'ity andiany podcast Global Voices ity, hiaraka amintsika eto i Yazan Badran, mpanoratra ao amin'ny Global Voices Syrie monina ao Japana. Ny lohahevitry ny podcast dia: ny lafy tsara sy ny lafy ratsin'ny fanentanana ankampobe ao amin'ny valantserasera.

09 Avrily 2012

Syria : Nosamborina tao Damas Ilay Mpikatroka Rima Dali Noho Ny Fanentanany Hampitsahatra Ny Famonoana Olona

"Atsaharo ny famonoana olona. Te hanorina Syria vaovao ho an'ny Syriana rehetra izahay.” Izany no teny hita tamin'ny sorambaventy nolanjain'i Rima Dali teo anoloan'ny antenimieran'ny Syriana ao Damas, tamin'ny Alahady 8 Aprily lasa teo, taorina kely ny nisamborana azy.

07 Avrily 2012

Syria: Nogadraina i Ali Mahmoud Othman, Ilay “Mason'ny Baba Amr”

Mpitolona amin'ny fanatontosana Lahatsary i Ali Mahmoud Othman, lehiben'ny tranom-piasana fampahalalam-baovao ao Bab Amr, no tratran'ny governemanta Syriana. Nihevitra ny mpiara miasa aminy sy ny namany fa nampijaliana mafy tsy misy indrafo izy. Miteraka loza ho an'ny mpitolona rehetra ao amin'ny tranom-piasana ny fanagadrana azy ary dona mafy ho an'ny...