Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Janoary, 2011
Siria: Mpampiasa Aterineto Mirohotra Manohana Ireo Ejiptiana Mpanao Fihetsiketsehana
Raha mbola misonga miakatra hatrany ny haromotan'ny hetsika handrodànana ny fitondran'i Mubarak ao Ejipta, manao izay ho afany hanohanana ny mpanao fihetsiketsehana amin'ny lafiny rehetra ny Siriana.
Tontolo Arabo: Aorian'i Tonizia, iza ny manaraka?
Taorian'ny zava-nitranga tany Tonizia izay nanery ny filoha teo aloha Zine El Abidine Ben Ali handositra ny firenena, maro ireo mponin'ny aterineto avy amin'ny tontolo Arabo no manontany: "isika ve ny manaraka?"
Mpandika teny misongadina: Sarah Standish
Tanora Amerikana mpampianatra sy mpitoraka bilaogy manana anton-draharaha i Sarah Standish. Ankoatry ny fampianarany ny teny Arabo ireo mpianatra eny amin'ny kolejy any Etazonia, manantena ity mpikambana ao amin'ny Lingua Arabo ity fa hanangana tetezana eo amin'ny Andrefana sy Atsinanana ary hampisy fifankahazoana bebe kokoa ny fomba fiainana Arabo sy ny fisainany. Nanadihady azy tao anatin'ity lahatsoratra ity i Shams Ahmad.