· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Jolay, 2012

Lahatsary: Internet Society Miresaka Ny Fahalalahana Miteny Sy Ny Sivana Iraisam-pirenena Eny Anivon'ny Aterineto

  20 Jolay 2012

Handresy manoloana ireo fitaovana fanaraha-maso vaovao ve ny teknolojian'ny tsy fitononana anarana? Ary hampiroborobo ny demaokrasia va re ny teknolojia finday - sa hitarika bebe kokoa ho any amin'ny fihazàna sy fanaraha-maso misimisy kokoa? Resadresaka iray teo Washington, DC ny 25 Jona 2012 niarahana taminà mafàna fo 6 avy any Syria, India, Burkina Faso, Kambodza, Venezoela sy Azerbaijan no niezaka hamaly ireo fanontaniana ireo.

Iran: “Raha Maty Misy Mamono i Bashar, Ny Fitondrana Iraniana Dia Hiantso Azy Ho Maritiora”

  20 Jolay 2012

Narahan'ireo Iraniana mpitoraka bilaogy hadrohadro ny fanehoan-keviny tamin'ilay fanafihan'ny Syriana mpanohitra tao Damaskaosy sy ny fanapoahana baomba izay nahafaty ireo tomponandraikitra ambony telo amin'ny fiarovana ny fitondran'ny Filoha Syriana Bashar Al Assad. Tsara ny fifandraisana eo amin'i Iran sy Syria ary dia nanàla azy tokoa ireo vahoaka amin'ny mety ho fiantraikan'ny fialàn'i Al Assad eo amin'ny fitondrana, taorian'ny 16 volana nisian'ny revolisiona mivaivay tao Syria.

Ejypta: Manoro Hevitra Ireo Syriana Ny Ejypsiana

  19 Jolay 2012

Mizara toro-hevitra amin'ireo Syriana ny Ejypsiana -ao amin'ny Twitter. Amin'ny alalan'ny tenifototra manokana, sy torohevitra manomboka amin'ny hoe “aza maka sary miaraka amin'ny fiara mifono vy” ka hatramin'ny “mandraisa torohevitra avy...

Siria: Mahatonga Hatezerana Sy Alahelo Ny Famonoana olona Tany Traymseh

  16 Jolay 2012

Tamin'ny herintaona, nialohan'ny volana masin'ny Ramadany, ireo mpitandro filaminana Siriana izay tokam-po amin'ny fitondràn'i Bashar al-Assad dia namono olom-pirenena manodidina ny 45 tany amin'ny renivohitr'i Hama. Tamin'ity taona ity, tany amin'ny tanàna kely tsy lavitr'i Hama no niraraka ny rà, Traymseh, nefa inoana fa maro lavitra noho iny ny isan'ny maty