· Febroary, 2011

Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Febroary, 2011

Voasambotra tamin'ny maraina teo ilay mpitoraka blaogy Siriana Ahmad Abu al-Khair

GV Mpisolovava  21 Febroary 2011

Nitatitra ireo namana akaikin'ilay mpitoraka blaogy Siriana Ahmad Abu al-Khair fa nosamborina tamin'ny 5ora maraina teo tany an-toerana izy raha avy any amin'ny tanàna Banias hiverina ho any Damaskaosy. Araka ny nambara dia nalain'ireo mpitandro filaminana ihany koa ireo solosainany manokana. Hatramin'izao aloha dia mbola tsy fantatra na ny toerana misy azy na ny antony nisamborana azy.

Afovoany Atsinanana: Fanarahana maso akaiky kokoa ny Fitroatr'i Tonizia

  15 Febroary 2011

Raha manohy miatrika ireo zava-nitranga nihazakazaka be tao anatin'ny andro vitsy lasa izay nahitàna ny fialàn'i Zine El Abidine Ben Ali sy ny fitsoahany an'i Tonizia ry zareo Toniziana, ny mpitoraka bilaogy Arabo kosa mizara ny eritreriny sy ny fandinihany mikasika ny fitroatry ny Toniziana ary ny dikan'izany eo amin'ny ambin'ny faritra rehetra.

Syria: Facebook sy YouTube nalàna fatorana, ankoatr'ireo hafa koa

  09 Febroary 2011

Nandritry ny taona maro ny aterineto tao Syria no nizaka sivana henjana. Ary ireo tranonkala tsy dia atahorana loatra toa ny Facebook, Youtube ary Wikipedia amin'ny teny Arabo dia azo nidirana ihany tamin'ny alalan'ny fampiasàna proxie sy fitaovana fandinganana samihafa. Toa efa niova izany androany. Manazava i Anas Qtiesh.