· Avrily, 2011

Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Avrily, 2011

Syria: Mitohy ny Revolisiona / Fanovàna (Lahatsary)

Zoman'ny Hatezerana androany ao Siria, olona an'aliny no nirotsaka an-dalambe tany amin'ny tanàna maro samihafa mangataka ny hialàn'ny fitondran'i Al Assad, ary maneho firaisankina amin'i Daraa, izay miatrika famoretana tsy misy antra noho ny maha fon'ny fanoheran'ireo Siriana azy.

29 Avrily 2011

Ejipta: Mitolona Ho An'i Siria

Maro ireo Ejiptiana niaraka tamin'ireo mpianatra Siriana izay nitangorona nanoloana ny masoivoho Siriana tao Caire ho fanoherana ny famonoana mpitolona, ary niantso ho an'ny fiongananan'ny fitondràna Siriana entin'i Bashar Al Assad. Nihirahira ho firaisankina amin'ireo mpanao fihetsiketsehana Siriana ny mpitolona ary nivavaka ihany koa ho an'ireo namoy ny ainy nandritra ny tolona.

27 Avrily 2011

Syria: Lalàna Amin'ny Tany Misahotaka Naato,Mitohy Hatrany Kosa Ny Hetsi-Panoherana

Tany Syria, nifamahofaho be ihany ny fandraisana ny fanambaràna nataon'ny Filoha Bashar Al-Assad androany nilazany ny fiafaràn'ny fepetra fanao amin'ny tany misahotaka izay efa nihatra teo amin'ny firenena hatramin'ny 1963. Nandalo herinandro maro nisianà hetsi-panoherana ny firenena, ary maro tamin'ireny no nisedra herisetra mahafaty avy tamin'ny mpitandro filaminana ofisialy.

20 Avrily 2011

Syria: Mofo dipaina sy Propagandy

Raha niditra amin'nyherinandro fahatelo ny fanoherana any Syria, dia nisy fileferana nataon'ny governemanta Assad mba hampitonena ny mpanao fihetsiketsehana. Androany dia nanakatona casino vaovao ao amin'ny fireneny ny fitondrana mba hahazoany sitraka amin'ny miozolomana mpitahiry nentin-drazana.

07 Avrily 2011