“Eto Izahay Manohana Anao”: Holandey Mandray Mpitsoa-ponenana

“Tonga soa. Eto Izahay Hanohana Anao.” Holandey mpilatsaka an-tsitrapo mandray mpitsoa-ponenanana ao amin'ny sehatra ao amin'ny gara afovoan'i Amsterdam. SARIPIKA: Faten Busheri
Tamin'ny fialàna amin'ny fiaran-dalamby avy any Paris nankao amin'ny gara afovoany ao Amsterdam tokotokony ho tamin'ny 10 ora alina, dia mahita olona eo amin'ny sehatra aho mitazona ny famantarana izay mivaky hoe: “Tonga soa. Tonga eto izahay mba hanohana anareo”.
Nijanona aho ary nilaza taminy fa nahare aho hoe mila olona miteny Arabo izy ireo mba hanampy amin'ny fandikan-teny ho an'ny mpitsoa-ponenana avy any Afovoany-Atsinanana. Nitondra ahy tao amin'ny zoron'ny gara izay ahitana sakafo, zava-pisotro, fitafiana, kilalao sy filàna fototra hafa voalamina tsara izy, miandry ny fahatongavan'ny mpitsoa-ponenana.
Monina ao Amsterdam nandritra ny roa volana aho, ary taty aoriana niresaka ny mety ho fahatongavan'ny mpitsoa-ponenana izay nahitam-pitomboana ao an-tanàna. Eo ampitsinjovana fa mety hiparitaka ao Holandy ny fanampiana, nitambatra ny vondrona mpilatsaka an-tsitrapo mba hanampy ny mpitsoa-ponenana amin'ny fiampitàn'izy ireo sy hifindra any amin'ny toby.
Manana fandaminana amin'ny ora fahatongavana ny vondrona ao amin'ny Gara Afovoany, mifantoka amin'ireo fiaran-dalamby avy any Frantsa, Alemaina sy Belzika izay azo antoka fa mety mitondra ireo mpitsoa-ponenana ao anatiny.
Tsotra ny asako: mandray azy ireo, mikarajia amin'izy ireo; manontany raha mila sakafo, rano na akanjo izy ireo; mampifaly ny ankizy; manazava izay zavatra hitranga manaraka. Mifantoka amin'izay zavatra tokony lazaiko sy vaovao tsy tokony adinoiko aho. Ny tsy nampoiziko dia ireo tantara tian'ireo mpitsoa-ponenana holazaina amiko.
Tonga tsikelikely izy ireo, miaraka amin'ny tsikitsiky amin'ny endrika falifaly sy mahatsiaro maivamaivana fa tonga ihany izy ireo, mifampiresaka mitantara ny fomba niakaran'izy ireo tao anatin'ny “sambon'ny fahafatesana” tao Torkia mba hipaka ao Gresy ary avy eo ao Holandy .
Khalid, lehilahy 30 taona nilaza tamiko momba ilay sambo azo ambotsina nandehanany niaraka tamin'ny olona 49 tao anatiny, ahitana zaza amam-behivavy. Satria hipoka olona ny sambo ary tsy novononina hitondra izany havesarana be izany, voatery nanipy ny kitapo sy ny fananan'izy ireo tany an-dranomasina izy ireo mba hamonjena ny ainy. Lena be izy ireo raha nigadona tao an-tseranan-tsambon'i Gresy ao Mytilene ary mangovitra raha nijery azy ireo ny manampahefam-panjakana Grika. Midera manokana ireo mpizaha-tany Holandey sasany izay nanatona azy ireo avy hatrany ary nanome fanampiana azy ireo i Khalid. Tsaroany ny vehivavy iray nandrakotra bodofotsy azy noho izy mangatsiaka sy kotsa.

Mpitsoa-ponenana ao Gara Afovoany ao Amsterdam miandry ny hamindrana azy ireo any amin'ny toby vonjimaika. Saripika: Faten Busheri
“Nihakivy izahay tao anatin'ny sambo,” hoy i Khalid tamiko. “Saingy nifankahery. Nitabataba ny lehilahy, “Alefa, vitantsika io! Manana zaza amam-behivavy isika ato anaty sambo!” Ary izany no tokony hanohizantsika ny dia.”
Tamin'ny fahatongavana tao Mytilene, nilaza i Khalid fa lalana 50 kilaometatra no nandehan'izy ireo an-tongotra, avy any avaratry ny nosy hatrao atsimo. Nanondro namana iray nihaona taminy tao anaty lakana izy izay nolazainy fa narary nandritra ny andro maromaro rehefa tambony rano nandritra ny fotoana elaela.
Nanapa-dresaka ny vehivavy Syriana iray ary nilaza fa raha ny marina dia nipoaka ny sambon'izy ireo noho ny havesarana. “Raha mahatsiaro ny dianay nahatongavana teto aho, latsa-dranomaso aho,” hoy izy. Tsy maintsy nilomano tamin'ny metatra vitsivitsy farany amoron-dranomasina izy sy ireo mpandeha namany. Nandositra an'i Al Raqqa, izay eo ambanin'ny fifehezan'ny ISIS tanteraka amin'izao fotoana izao izy sy ny zanany kely telo lahy ary ny vadiny.
Vehivavy iray hafa nitantara ny vola naloan'izy ireo nandritra ny dia tao anaty sambo: 1400 euro isan'olona. Fianakaviana iray hafa nandoa vola 4000 izay tsy maintsy nindramin'izy ireo tamin'ny olom-pantany. “Mandoa vola 4000 euro ianao kanefa mety ho faty?” Hoy aho tamin'iray tamin'izy ireo. “Maty ihany koa izahay na tany Syria aza,” hoy izy.
Nihaona tamin'ny lehilahy Irakiana roa avy ao an-tanànan'i Mosul aho, nosamborin'ny ISIS izy ireo saingy afa-nitsoaka ary niala ny firenena. Ny iray dia Jeneraly teo aloha, notànan'ny ISIS nandritra ny 17 andro. Notapahan'izy ireo (ISIS) ny sorony havanana satria nisy tombokatse (fady amin'ny Silamo) ao amin'ny sarintanin'i Iraka, notampenana ny masony ary nofatorana izy. Ny lehilahy faharoa kosa dia i Ahmed, iray amin'ireo olona 23 nosamborin'ny ISIS, nilaza izy fa notsatohan'izy ireo antsy ny tenda. “olona 19 no maty teo imasonay, ary iray amin'ireo tafavoaka velona aho,” hoy i Ahmed tamiko. “Tsy fantatro ny fomba naha-tafavoaka ahy tamin'izany.”

Mpitsoa-ponenana Irakiana roa nahavita nitsoaka rehefa nosamborin'ny ISIS, maka sary miaraka amin'i Joost, mpilatsaka an-tsitrapo Holandey (Ankavia) sy ny mpanoratra (Ankavanana). Saripika: Faten Busheri.
Raha miresaka amin'ny olona amin'ny teny Arabo aho, faly izy ireo maheno ny fiteny mahazatra azy ireo ary manontany ny niaviako. Somary menatra kely aho milaza ny marina fa avy ao Bahrain aho, firenena Helodrano nanampy ny ady ao Syria. Tsy nanome na inona na inona ireo firenena avy ao amin'ny Helodrano ary nanampy ompa amin'ny ratra amin'ny fandosirana andraikitra hampiantrano ny mpitsoa-ponenana ao amin'ny firenen'izy ireo izay manankarena solitany.
Ary eto aho izao, mponina anisan'ny manan-karena ao Holandy, mianatra any amin'ny oniversite ambony mba hahazo Master, fianarana nahazo famatsiam-bola feno. Ny tena ahiahiko dia momba ny fankatoavana ny fanadinako manaraka, rehefa mifanitsa-kitro ao amin'ny zoron'ny gara afovoany izy ireo dia manontany tena amin'izay mety ho hitany rahatrizay kosa.
Nilaza tamiko i Mohammed fa nandao ny vadiny sy ny zanany ao Syria tsy namela na inona na inona saingy nampanantena fa hanorim-ponenana ao Eoropa ary hamonjy azy izy ireo rehefa tafapetraka tsara ao. “Tsy te ho enta-mavesatra ho an'ny fiarahamonina izahay,” hoy izy. “Mpanampy mpitsabo aho. Te hianatra teny Holandey aho ary hiasa.”Manetri-tena izy ireo ka te-hanampy izahay ary mandà tsy handray vola betsaka afa-tsy izay vola kely mahampy azy ireo mandritra ny alina.
Satria faly ireo mpitsoa-ponenana ao amin'ny Gara Afovoany fa tonga ao Amsterdam izy ireo, dia mifaly havanja manodidina anay mpilatsaka an-tsitrapo ny ankizy, mankafy ny kilalao vaovaon'izy ireo. Avy eo, miditra ao anaty fiara fitateram-bahoakan'ny Vokovoko Mena izy ireo izay hitondra azy ireo any amin'ny toby vonjimaika, ary manomboka ny karazana fiainana vaovao.
Raha mila vaovao fanampiny momba ny Mpitsoa-ponenana Raisina ao Amsterdam, tsidiho ny pejy Facebook-n'izy ireo
Lahatsoratra anaty sokajy Ny Tetezana - The Bridge, manasongadina soratra, eritreritra, fanehoankevitra ary fanadihadiana tsy nalaina tàhaka avy amin'ny fomba fijerin'ny tsirairay ao anatin'ny fikambanana Global Voices. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Tantaran'ny Eoropa Andrefana farany
-
30 Desambra 2020Angletera
Noely COVID : Tena tsy nisy toa azy tokoa va re?
Atombohy ny resaka
Lahatsoratra anaty sokajy Ny Tetezana - The Bridge, manasongadina soratra, eritreritra, fanehoankevitra ary fanadihadiana tsy nalaina tàhaka avy amin'ny fomba fijerin'ny tsirairay ao anatin'ny fikambanana Global Voices. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 11 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 123 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 128 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...