Sariitatry Ny Charlie Hebdo Momba An'i Aylan Kurdi, Miteraka Andiana Adihevitra iray Hafa

Charlie Hebdo's latest cartoons of Syrian toddler Aylan Kurdi, widely circulated on social media

Sariitatra farany nataon'ny Charlie Hebdo momba ilay zazakely siriana Aylan Kurdi, niparitaka be tety anaty media sosialy.

Niteraka resabe teo amin'ny sehatra iraisampirenena indray ny Charlie Hebdo, ilay gazetiboky frantsay mpanaraby  amin'ny eso. Nahatonga ireo mpamaky azy hanontany tena raha toa ka maneso ilay zazakely maty ilay famoahany sariitatra momba an'i Aylan Kurdi tamin'ny 2 Septambra, ny valintenin'ny Eoropeana amin'ny olan'ny mpifindramonina, na zavatra hafa. Vitan'ilay gazetiboky ny nandrehitra adihevitra iray vaovao momba ny olan'ny fahalalahana maneho hevitra.

Lasa mariky ny olana Mediteraneana i Aylan Kurdi, ilay zazakely siriana tsy ela akory izay no natsipin'ny rano teny amorontsirak'i Tiorkia ny vatana mangatsiakany. Nandeha taminà sambo mpitondra mpifindramonina izy sy ny reniny ary ny rahalahiny sy ireo 20 hafa mpitsoaponenana izay nizotra ho any Kos, Nosy Grika. Saingy rendrika ny sambo, ka nahafaty an'i Aylan sy 11 hafa, isan'ireny ny reniny sy ny rahalahiny.

Nisy 10 ireo sariitatra maneho an'i Aylan Kurdi, saingy vitsy ihany no nahazo laza manokana tety anaty media sosialy. Nibitsika roa tamin'ireo sariitatry ny Hebdo ilay Kolombiana mpiantsehatra, Mariana Cordoba, tamin'ny fanehoany ny tsy fankasitrahany ny fomban'ilay gazetiboky:

Lasa lavitra loatra ianareo ry #CharlieHebdo, mahakivy. Aza afangaro ny fahalalahana maneho hevitra sy ny kabary fankahalàna

Ny sary eo ankavia dia mampiseho zazakely mitafy toy ilay an'i Aylan mihitsy tamin'ny fotoana nahitàna ny vatana mangatsiakany, ary misy takelaka McDonald iray izay manolotra sakafo: “zaza roa ho an'ny vidin'ny iray”. Mety azo adika ho miresaka an'i Aylan sy ny rahalahiny io.

Mivaky toy izao ny maribolana “Tafita vao rendrika…”

Eo ankavanana ny sariitatra iray nataon'ilay mpanao sariitatra sisam-paty tamin'ilay fanafihana mitam-piadiana nahazo ny Charlie Hebdo tamin'ny Janoary 2015. Sary miendrika Jesosy no nataony, mijoro eo akaikin'ilay zazakely, mitsingoloka miaraka amin'ny maribolana mivaky hoe : “Porofon'ny maha-kristianina an'i Eoropa.”

Misimisy ireo maribolana manazava kokoa, isany ny “Mandeha ambony rano ny kristiana” sy ny  “Milentika ny ankizy miozolmana.”

Kaonty iray “A Common Lawyer – Mpisolovava iraisana”, no nibitsika sariitatra iray ahitàna zazakely maneho an'i Aylan aminà kisary roa samihafa misy tompondaka amin'ny lomano, mivaky hoe, “Azonao fantarina ve hoe iza no tsy tompondaka tamin'ny lomano tamin'ireto?”

Ity ny sariitatra iray hafa nataon'ny #CharlieHebdo momba an'i #aylan .  Iza tamin'ireto mpilomano ireto no tsy mbola tompondaka mihitsy?

Efa niharan'ny fanafihana ny Charlie Hebdo  tany am-piandohan'ny Janoary 2015, nahafatesana olona 12, isan'izany ilay sangany amin'ny famoahana tao amin'ilay gazetiboky. Tamin'ny 2006, namerina namoaka sariitatra Danoà momba ny Mpaminany Mahometa ilay gazetiboky, sariitatra notsarain'ny maro tany amin'ny tontolo Miozolmana ho maniratsira ny Silamo, raha maro tamin'ireo tany Andrefana nahita izany ho endriky ny fahalalahana maneho hevitra.

Mamela ny olona hivaky roa indray manoloana ny fanakianana ny rabiraby ratsy tsy misy dikany ataon'ilay gazetiboky sy ny fanekena ny fahalalahana maneho hevitra ireo sariitatra maneho an'i Aylan.

Mankaloiloy…Izao ve no fahalalahana maneho hevitry ry zareo? Manaraby zazakely maty? Tian-dry zareo ny hanafintohina ny fihetsempon'ny olona…Tsy misy atidoha #charliehebdo #aylan

Vitan'ny Charlie Hebdo  ny mandatsa an'i #Aylan Kurdi, ilay zazalahy kely maty an-drano, noho ny resaka sary manaraby. Henatra ho anareo ry #CharlieHebdo

Ny sasany mahita ny fomba nataon'ilay gazetiboky hivazivaziana aminà olana be midadasika tahàka ny krizin'ny mpifindramonina ho toy ny asa fanaovana gazety tsy tomponandraikitra:

Voan'ny #CharlieHebdo izany izao ny media tandrefana amin'ny fanarabiana an'i #Aylan.  Fotoana izao ahatsapantsika fa tsy misy zavatra azo andrasana amin'ireo afa-tsy ny maha mpanao gazety tsy tomponandraikitra azy
— Hanief Manzoor Dar (@haniefdar) 15 Septambra 2015

Voan'ny #CharlieHebdo izany izao ny media tandrefana amin'ny fanarabiana an'i #Aylan.  Fotoana izao ahatsapantsika fa tsy misy zavatra azo andrasana amin'ireo afa-tsy ny maha mpanao gazety tsy tomponandraikitra azy
— # I Rep 28th Sep # (@jishaq1) 16 Septambra 2015

Sabatra roalela ireny sariitatra ireny, satria nahatezitra ny olona ny zava-misy, izay nampisehoana zazakely iray maty tao anatin'izy ireny, raha ny hafa kosa mahita azy io avy aminà fomba fijery hafa, amin'ny fanosohana hoe ny hevitra manontolon'ireny sariitatra ireny dia ny hanarabiana ny fomba famalin'ny Tandrefana ny olana/krizy, fa tsy Aylan.

Tsy maneso an'i #Aylan mihitsy ny #CharlieHebdo  fa ireo firenena kapitalista izay indrisy fa tsy miraharaha ny fangirifirian'ireo mpitsoa-ponenana. Izay no fahitako azy

Tsy felaka ho an'ny Eoropeana ve ny sariitatra nataon'ny #CharlieHebdo momba an'i  #Aylan, manaraby azy ireo, fa tsy hoe….?

Marobe ireo gazety, isan'ireny ny The New York Times, The New Yorker, Bloomberg View, sy ireo hafa maro no namoaka lahatsoratra manazava ny hevitra hafa ao ambadik'izy ireny (toy ny vola vy, manana lafy roa). The New York Times, ohatra, milaza fa voalohany indrindra dia mamely ny “valinteny feno fihatsaram-belatsihin'i Eoropa momba ny olan'ny [mpitsoa-ponenana] ireny sariitatra ireny”.

Tranonkala iray antsoina hoe Fantaro Charlie Hebdo no mamaky bantsilana ny hafatra ambadik'ireo sariitatry ny gazetiboky amin'ny ankapobeny, tamin'ny fanolorana ohatra avy aminà sariitatra hafa izay navoaka tany aloha. Hoy izy :

 Ampiasain'ny Charlie Hebdo ny rabiraby mahery setra hanoherana ny foto-pinoana, ny fihatsaram-belatsihy sy ny fientanana tafahoatra, tsy ijerena izay loharano niaviany. Miasa amin'ny filalaovana dingana samihafa amin'ny fomba fandraisana zavatra (eso) ny rabiraby—fomba fijery izay tsy mijery afa-tsy ny an'ny tena tanteraka, izay rehefa eo an-tànan'ny Charlie Hebdo dia azo antoka fa hamela tsiro mafaitra. Tsy fepetra takiana akory ny hanihany.

Na eo aza ny ezaky ny media hampitonitony ny adihevitra, amin'ny fanazavana ny fandaharam-potoana sy ny hafatra miafin'ny Charlie Hebdo, tsy mbola resy lahatra ny sasany, toy ilay Frantsay-Alzeriana mpanao gazety, Nabila Ramdani:

Ny anjarako tamin'ilay sariitatra farany nataon'ilay gazetiboky: Eny, azoko ny ‘vazivazy’ #CharlieHebdo momba an'i #Aylan. Ary dia maharikoriko ilay izy

Nanoratra lahatsoratra iray i Ramdani ho an'ny  Al Arabiya, izay nilazàny hoe:

Ny azo antoka aloha dia tsy misy mahatsikaiky ny resaka ankizikely maty, na kely koa aza ho an'ireo rehetra tratry ny olana manerantany momba ny mpitsoa-ponenana. Ity tsy fijery an'olombitsy monja, tsy mpifikitra amin'izay inoany ihany, ary ilay iray tsy mahalala na inona na inona natolotry ny sivana mpandrava lanonana. Toa an'Ing Herbert, mpisolovava nandia fianarana ambony,  “azoko” tsara ny tian'ny Charlie Hebdo hatao, sy izay soloin'ilay gazetiboky tena. Ary toy ireo an-tapitrisa manerana izao tontolo izao dia maharikoriko tanteraka no fahitàko azy io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.