Tantara mikasika ny Thailandy
Miresaka am-pahasahiana momba ny filan'izy ireo sendikà sy fepetra tsara kokoa any amin'ny toeram-piasany
"Manantena aho fa any andro ho afaka hijoro tsy amin-kenatra ireo mpiasa an-trano. Tsoriko marina aminao, fony aho mpiasa an-trano, tsy nireharehàko mihitsy ny asako"
Takian'ny Thailandey mpanao fihetsiketsehana ny anafoanana ny lalànan'ny fanivaivana mpanjaka
"Mihevitra izahay fa tsaratsara kokoa ny miaina ao amin'ny fiarahamonina tsy anagadrana olona noho ny fanehoan-keviny ara-politika, mitady fiarahamonina tsara kokoa..."
Mitaky ny fialàn'ny praiminisitra Thailandey Gen Prayut ny mpanao fihetsiketsehana
Nanomboka tamin'ny herintaona, nitaky ny fialàn'ny praiminisitra Gen Prayut izay tonga teo amin'ny fitondrana tamin'ny alàlan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2014 ny mpanao fihetsiketsehana.
Tsipahin'ny mpianatra thailandey sasany ny manao fanamiana sy mijoro hanao hiram-pirenena mandritra ny fianarana an-tserasera (anjotra)
Tsy manaiky hijoro ny mpianatra sasany raha mampiasa sivana fakantsary kosa ny hafa hahatonga izany ho tahaka ny manao fanamian'ny sekoly ry zareo.
Vehivavy mpitarika miresaka fanentanana amin'ny zo nomerika ao Thailandy
'...tokony hianatra hampiasa ny teknolojia ho fitaovana hampiteraka fifandraisana tsara amin'ny vahoaka ao an-toerana ny governemanta fa tsy mampiasa ny teknolojia hamoretana vahoaka'
Ahiana hanimba ny asan'ny vondrom-piraisamonina sivily ny tolo-dalàna momba ny FTMF ao Thailandy
"Mety hanakana asa maro tsy tambo isaina hahazoan'ny fiarahamonina tombontsoa izany, nefa mihoa-pampana ny fanasaziana.."
HORONANTSARY/RAKIPEO: Mandrava ny fady amin'ny fanalan-jaza
Tsy nahita ny fandefasana mivantana ny fivoriana Global Voices Insights momba ny zon'ny fanalan-jaza any amin'ny firenena miisa dimy tamin'ny 7 Aprily ve ianao ? Indro ny famerenana.
MIVANTANA amin'ny 7 Aprily: Krizy ara-pahasalamana iray hafa – mandrava ny fady amin'ny fanalan-jaza
Miteraka fahafatesan'olona manodidina ny 30,000 isan-taona ny fanalan-jaza tsy azo antoka. Manasa anao hihaino ireo vehivavy avy any Oganda, Thailandy, Brezila, Pakistan ary Polonina hiresaka momba ny zo ara-pananahana any amin'ny firenena misy azy ireo.
Mpanakanto nomerika mampiseho ny fiainan'ireo Thailandey sy tolona ho amin'ny demaokrasia
"Fotoana izao ijoroantsika hijoroan'ny hoavy tsaratsara kokoa tsy ho antsika ihany fa ho an'ny taranaka manaraka ihany koa.”
[FAMERENANA] ‘The Milk Tea Alliance': Thailandy, Taiwan ary Hong Kong miray hina hitolona ho amin'ny demaokrasia
Tsy nahatratra ny fandefasana mivantana ny webinar [seminera-web] Global Voices Insights momba ny "Milk Tea Alliance"? Indro ary ny famerenana azy ho hitanareo.