Tantara mikasika ny Thailandy tamin'ny Jona, 2014
Thailand : Miezaka Maka Ny Fon'ny Olona Amin'ny Fandefasana Malalaka Ny Fiadiana Ny Amboara Erantany Amin'ny TV Ny Mpanongam-Panjakana
Fijerena rindran-kira maimaim-poana, sakafo maimaim-poana, fizaham-pahasalamana maimaim-poana, fijerena sarimihetsika maimaim-poana, fanapaham-bolo maimaim-poana ary fandefasana ny Lalao fiadiana ny amboara erantany maimaim-poana. Tsy misangisangy amin'ny fitadiavana ny fanohanan'ny vahoaka ireo mpanongam-panjakana any Thailand.
‘Sambatra’ Any Thailandy? Ny Fomba Mbola Hanafoanan'ny Fitondrana Mpanongam-Panjakana Ny Demokrasia
Voasivana ny haino aman-jery, mahamay ny Facebook ary na dia ny fiarahabana amin'ny fomban'ny Hunger Game aza dia voarara. Tena "sambatra" ve ny vahoaka Thai eo ambanin'ny fitondrana miaramila?
Thailandy : Maka Aingam-Panahy Avy Amin'ny ‘Hunger Games’ Ireo Mpanohitra Ny Fanonganam-Panjakana
Hetsipanoherana voarara ? Tsy olana ho an'ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fanonganam-panjakana any Thailandy satria nandray ilay fiarahabana 'Hunger Games' ry zareo raha toa ka hetsika 'read-in' (famakiana boky) eny amin'ny toerana vory vahoaka no ataon'ny sasany.
“Mahatsapa Fanapenam-bava Tanteraka Eny Amin'ny Tontolo Aho”: Manjavona Ny Fahalalahan'ny Aterineto Ao Thailand
"Iadiana mafy ny fahalalahana maneho hevitra ao Thailand ... Mety hahatonga anao eny amin'ny fitsarana miaramila ny fitsikerana fotsiny ny Vaomiera."
Ny Adin'ny Fanonganam-panjakana Sy Ny Fanapariaham-Baovao Ao Thailand
Miteny ny miaramila fa tsy maintsy hanara-maso ny TV, ny fampielezampeo ary ny aterineto ho toy ny làlana iray hiantohana fa “marina” sy “mahitsy” ny vaovao aparitaka ho an'ny vahoaka.