· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Thailandy tamin'ny Oktobra, 2017

Tsy Hita Tany Kambodza I ​​Eddie Gibson

Tamin'ny volana Oktobra 2004, tsy hita i Eddie Gibson, 19 taona rehefa nandeha tany Kambodza avy any Thailandy. Tsy nisy olona nahafantatra ny toerana misy an'ity mpitsangatsangana Anglisy ity mihitsy hatramin'izao. Efa nandalo tany Kambodza ireo ray aman-dreniny ary nanome valisoa ho an'izay manome vaovao momba an'i Eddie Gibson izy ireo.

14 Oktobra 2017

Ny Sarimihetsika “Da Vinci Code” Tao Azia Atsimo Atsinanana

Raha vao nanomboka nivoaka manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana ny sarimihetsika " Da Vinci Code ", dia efa nisy sahady ny fihetsiketsehana sy ny antso nataon'ny vondrona Kristiana izay nangataka ny governemanta mba handrara ny sarimihetsika. Tao Filipina, dia ny tanàndehibe Manila renivohitra no lohalaharana tamin'izany fandraràna izany.

10 Oktobra 2017

Thailandy: Fandrahonana sy Fanitsakitsahana ny Fahalalahan'ny Aterineto

Notaterin'i Aim Sinpeng fa nitohy ny fanivànana aterineto ao Thailandy na eo aza ny fandresen'ny mpanohitra nandritra ireo fifidianana farany teo. Tohizan'ny governemanta ny fibahanana traonkala an'arivony noho ny fanitsakitsahana ny lalàna ao an-toerana. Marobe ihany koa ireo bilaogera no nosamborina fa nolazaina ho nanevateva ny fianakavian'ny mpanjaka.

05 Oktobra 2017