Tantara mikasika ny Thailandy tamin'ny Aogositra, 2016
Arahabao Ny Lalàmpanorenana Vaovaon'i Thailandy. Ary Arahabao Indray Ny Didy Miaramila Ao Thailandy
Miharihary fa ny lalàmpanorenana vaovao dia mampiroborobo ny fanjakazakan'ny miaramila, mandrahona hampijoro ara-dalàna kokoa ny kolontsain'ny sivana sy ny fanarahamaso ataon'ny fanjakana amin'ny haino aman-jery.
Ankoatra Ilay Mpilomano Singapaoreana Nandresy An'i Michael Phelps, Fantaro Ireo Aziatika Atsimo-Atsinanana Hafa Nahazo Medaily Volamena Tamin'ny Lalao Olaimpika
Sambany nahazo medaily volamena tamin'ny lalao Olaimpika ao Rio i Singapaoro sy Vietnam, efa nahazo volamena roa kosa i Thailandy raha mbola volafotsy ny an'i Filipina.
Thailandy: Manamafy Sivana Arakaraka ny Anatonan'ny Fitsapankevibahoaka Momba ny Lalàmpanorenana
Raha tian'ny fitondrana miaramila ao Thailandy hojerena tahaka ny azo itokisana ny fitsapankevibahoaka ataony, tsy maintsy hajanony ny fandrahonana ireo mpanao gazety mandrakotra io hetsi-panentanana io ary havelany hikoriana malalaka mankany amin'ny vahoaka ny vaovao.
Moskea, Tempoly, Pagôda, ary Katediraly Fanta-Daza Indrindra Ao Azia Atsimo Atsinanana
Aiza no ahitanao ny Katediraly Katolika lehibe indrindra ao Azia, ny toeram-pivavahana lehibe indrindra eto ambonin'ny tany, ary ny moskea tokana tsy misy "dome"? Any Azia Atsimo Atsinanana irery ihany.