Tantara mikasika ny Thailandy tamin'ny Avrily, 2019
Mandrahona ny hanisy sivana ny fitsikerana ny Praiminisitra an-tserasera i Thailandy

Taorian'ny fitorian'ny governemanta Thailandey ilay mpanao sariitatra Chai Rachawat dia nampitandrina ny Minisitry ny Serasera sy ny Teknolojiam-baovao ao amin'ny firenena fa hanakatona avy hatrany ireo vohikala ahitana fanamarihana manala-baraka ny Praiministra.
Mety hampiditra anao am-ponja ny ‘J'aime’ Facebook any Thailandy

Manara-maso ireo mpisera amin'ny teny lehibe toy ny "fanonganam-panjakana", "fanjakana", "zava-mahadomelina", "fivarotan-tena" sy ireo teny hafa izay heverina ho manan-danja amin'ny fiarovam-pirenena ao amin'ny sehatra fifanakalozan-dresaka lehibe sy ny tambajotra sosialy ny manampahefan'ny polisy.