Mpanakanto nomerika mampiseho ny fiainan'ireo Thailandey sy tolona ho amin'ny demaokrasia

‘Fiainana maha-Bangkokian 01’. Hosodoko nomerika nataon'ny pssyppl, nahazoana alalana. Mampiseho tanora manasongadina ny fiarahabana amin'ny ‘Lalaon'ny Hanoanana’ (Hunger Games) izay ampiasain'ireo tanora mpanao fihetsiketsehana ao Thailandy amin'ny fampielezan-kevitr'izy ireo momba ny fanavaozana demaokratika.

Mpanakanto marobe no nanohana ny hetsi-panoherana notarihin'ny tanora  izay nitaky fanavaozana demaokratika tany Thailandy tamin'ny taona 2020. Iray amin'ireo mpanakanto ireo i Pssyppl, nofaritan'ny BK Magazine ho toy ny “mpanakanto sy mpamorona mivoatra vetivety, izay mamokatra sary hosodoko nomerika maizina sy manesoeso be izay maneho ny olana mandoro amin'ny androntsika. ”

Tao amin'ny lahatsoratra milaza momba azy sy ireo mpanakanto hafa ao amin'ny BK Magazine, nizara ity filazalazany momba ny fahitany ny zavakanto ity i Pssyppl:

My digital artwork focuses on events that are happening around me—events that leave me with a certain feeling inside my head, and then that feeling is molded and visualized in a sarcastic way through digital paintings. The reason I did these pieces is because of anger—anger that I cannot say anything or do anything to resist this corrupt system [that rules Thailand]. Art is my only way to express this smoldering emotion inside my mind.

Miompana amin'ireo hetsika mitranga manodidina ahy — hetsika izay mamela ahy hanana fahatsapana ao anatin'ny lohako ny sangan'asako nomerika, ary avy eo noforonina sy naseho tamin'ny fomba manesoeso amin'ny alàlan'ny sary hosodoko nomerika izany fahatsapana izany. Ny antony nanaovako ireo sombin-javatra ireo dia noho ny hatezerana — hatezerana izay tsy afaka hiteny na inona na inona na hanao zavatra hanoherana ity rafitra voakolikoly ity [izay mitondra an'i Thailandy]. Ny kanto no mba hany fomba hanehoako izany fihetseham-po mirehitra ato an-tsaiko izany.

Toa hery mitarika iray ao ambadiky ny sanganasa an-tsivalo tokoa ny hatezerana hoy i Pssyppl namoaka tao amin'ny Instagram. Maneho ny fanoheran'ny Thailandey ny governemanta mampiasa ny lalàna famoretana Fizarana 112 hisamborana ireo izay mitsikera ny fitondram-panjaka tokana ny iray amin'izy ireo.

Nasongadin'ny tranokalam-baovao New Naratif ity sangan'asa ity ary ahitana ny famariparitana avy amin'ilay mpanakanto:

We the people have been oppressed, manipulated and controlled by higher powers for as long as I remember. Now that their ivory tower has started to tremble, it’s time for us to rise up for a better future not just for ourselves, but also for the generations to come.

Nampahoriana isika vahoaka, nahodikodina ary nofehezin'ireo fahefana ambony indrindra nandritra ny ela be araka ny fitadidiako azy. Satria nanomboka nihozongozona ny tilikambo fotsy (vangin'elefanta) -ndry zareo, fotoana izao ijoroantsika hijoroan'ny hoavy tsaratsara kokoa tsy ho antsika ihany fa ho an'ny taranaka manaraka ihany koa.

Sangan'asa iray hafa mitsikera ny miaramila, izay nanao fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2014 ary mbola maifehy hatrany ao amin'ny governemanta sivily na dia teo aza ny fifidianana natao tamin'ny taona 2019.*

I symbolised this rotten system of Thailand into the character of a general. The system that barks order at you and you will follow. The system that tells you from the other side of the poster that you already have a good life, don’t ask questions, don’t try to change the way things are. The system that hides all those bodies of the people that try to fight for their life, distorting history and turns people against each other. In the end, this is just a poster. You either choose to believe in the ‘system’ that is trying to control you through the artwork, or together, we can fight the system and tear it down to the ground.

Nataoko ho amina bikan'olona jeneraly iray ity rafitra maimbo an'i Thailandy ity. Ilay rafitra mivovò baiko aminao ka ho arahanao. Ilay rafitra miteny ao ambadiky ny afisy fa efa miaina tsara ianao, aza manontany, azy mitady hanova ny zavatra. Ilay rafitra manafina ny vatan'ireo olona miezaka ny hiady ho amin'ny fiainany, manolana ny tantara ary mampiady olona. Any amin'ny farany, afisy ihany izany. Na misafidy hino izany ‘rafitra’ miezaka ny hifehy anao amin'ny alalan'ny zavakanto, na miaraka isika ho afa-miady amin'ny rafitra ka manjera izany ho amin'ny tany.

 

Noantsafaiko i Pssyppl tamin'ny alalan'ny Twitter ny amin'ny maha-zavadehibe ny zavakanto amin'ny fizakàna fanohanana ny hetsika prô-demaokrasia eto Thailandy:

In my opinion, in the country where people cannot speak out the fact and spread out the truth, art, music, performance and any other form of expression other than words are quite important. They are the alternative ways for people to express their feelings, to make people listen.

Araka ny hevitro, ao amin'ny firenena tsy ahafahan'ny vahoaka miteny ny zavamisy ny mampiely ny marina, dia zava-dehibe ihany ny zavakanto, ny mozika, ny fanatontosana fampisehoana ary ireo endrika fanehoana hevitra hafa ankoatra ny teny. Misy ny lalana hafa ho an'ny olona hanehoany ny fahatsapany, mba hahatonga ny olona hihaino.

Nanontany azy ihany koa momba ny fitrandrahana mialoha ny fanentanana ho amin'ny demaokrasia anatin'ny taona 2021 izy io:

We have come a long way since the coup seven years ago. The fight is going to be long and it might last longer than 2021 in my opinion. I can’t really tell what the future would hold, but changes are coming and the glimpse of hope is starting to surface. Now that there’s covid-19 around, we have more responsibility than before. It is going to be a slow process but I believe that we surely are progressing.

Nandeha lalan-davitra isika hatramin'ny nisian'ny fanonganam-panjakana fito taona lasa izay. Ho lava ny ady ary mety mbola ho lavitra noho ny taona 2021 raha ny hevitro. Tsy ho afaka tena miteny izay ho avoakan'ny ampitso aho, saingy hisy ny fiovana ary manomboka mipongatra ny tsipalotry ny fanantenana. Ankehitriny moa mihaodihaody ny covid-19, mbola betsaka noho ny teo aloha ny andraikitsika. Hiadana dia hiadana ny fizotrany saingy mino aho fa miroso tokoa isika.

Ity ny hafatra nataony ho an'ireo artista namana:

To me, it’s of utmost importance that you never doubt yourself. There’s gonna be the work you hate, you are gonna feel tired and confused whether you’ve chosen the right part. But if it’s what you love, never stop do art. If you fail, try and fail again until you fall in love with your failure.

Ho ahy, zava-dehibe ambony indrindra ny tsy hisalasalanao momba anao. Hisy ny asa ho halanao, hahatsiaro ho tofoka ianao sy hisaritaka na dia nisafidy ny anjara tsara aza. Saingy io no tianao, aza mitsahatra manao zavakanto. Raha tsy mahomby ianao, manandrana fa mbola tsy mahomby ihany mandra-pitiavanao ny tsy-fahombiazanao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.