Tantara mikasika ny Thailandy tamin'ny Desambra, 2014
Tamin'ny Fampisehoana Voalohany Ilay Sarimihetsika Tany Lôndôna, Milaza Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Fa any Thailandy No Tena Misy Ny “Lalaon'ny Hanohanana”
Nanao fihetsiketsehana teo ivelan'ny fampisehoana voalohany an'ilay sarimihetsika malaza "Hunger Games" ireo Thai mpianatra any Lôndôna, hisarihana ny saina amin'ireo rahona mianjady amin'ny demôkrasia amin'ny fiainana tena izy any amin'ny tanindrazan'izy ireo.
Lazain'ilay Mpikatroka Manohitra Fanonganam-Panjakana Fa Mandrahona Hanolana Azy Ireo Thai Manampahefana
Voatàna tany aminà hetsika iray fankalazàna ny Andro Erantany Ho an'ny Zon'Olombelona izy, tao Bangkok, taoran'ny nanaovany ny fiarahabàna rantsana teo an'ny "Hunger Games" niaraka taminà olona iray hafa, fihetsika izay voaràra ao Thailand.
Mitsabaka Amin'ny Fanabeazana Ny Fitondrana Mpanongam-panjakana Mba Hampianarana Ny ‘Demôkrasia Marina’
Mikendry ny handrisika ny fampihavanana ireo fanovàna ara-panabeazana tohanan'ny miaramila, saingy nanjavona tampoka tanatin'ireo boky fampianarana ny anaran'ny Praiminisitra teo aloha, Thaksin Shinawatra.
Endriky Ny Fitateram-Bahoaka Azia Atsimo-Atsinanana An-tsaripika
Mpitondra môtô tsy manao aroloha, jeepneys mavesatra loatra, ary mpandeha fiaran-dalamby ambonin'ny tafon'ny kalesy no sasantsasany amin'ny fiara fitateram-bahoaka mahazatra hitantsika an-dalamben'i Azia Atsimo-Atsinanana.
Mpanao Lalàna Tratra Mijery Vetaveta, Milalao Ary Matory Am-perinasa, Zavatra Iray Fahita Ao Azia Atsimo Atsinanana
Politisiana marobe manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana no tratra mijery lahatsary vetaveta, matory, sy milalao amin'ny ipad-ndry zareo mandritry ny fotoam-pivorian'ny Kaongresy.