Tantara mikasika ny Thailandy tamin'ny Mey, 2017
Thailandy: Fijery Sy Fandaharana Vaovao Ao Amin'ny Fahitalavi-panjakana
Iray amin'ireo mpamokatra ny fantsona NBT aho. Indray mandeha isan-kerinandro ny fandefasana ny fandaharako. Isaky ny miova ny governemanta, tonga ny governemanta vaovao ary manova ny fandaharam-potoanan'ny NBT, manova fandaharana betsaka.
Thailandy: Fiadiana ho An'ny Fahavelomana sy Fahaiza-mamorona Mandritra ny Tondradrano
Mihatsara ny toe-draharaha ao Thailandy satria efa misintona ny rano tondraka, saingy ny taham-pafatesana izao no efa nahatratra nihoatra ny 600. Ny loza voajanaharin'ny tondradrano tao Thailandy no ratsy indrindra tao anatin'ny dimy taona lasa fa nampiseho ihany koa ireo toetra mahay mamorona nanànan'ny olona raha niaritra ny tondradrano izy ireo.
Mandrahona Ny Hitory An'I Facebook Any Amin'ny Fitsarana I Thailandy Noho ireo Lahatsoratra Mamely ny Fitondram-Panjaka
Nanome fe-potoana ho an'ny Facebook hatramin'ny Talata 16 May 2017 ny governemanta Thailandey mba hanalana ireo lahatsoratra sisa miisa 131 izay manohitra ny mpanjaka ireo.