· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Oktobra, 2018

Sodàna: Ny Tafika ONU-UA Ao Darfour, Sekolin-jaza Madinika Iray Tena Lafo, Ny Fiverenan'ireo Bibidia Ao Sodàna Atsimo Sy Ireo Fanehoankevitra Mikasika Ny Blaogera Sodaney Pelaka Iray

  15 Oktobra 2018

Fotoana fohy izay lasa hatramin'ny nitetezako farany ny tontolombolongana sodaney nefa mbola inty ihany aho, miaraka aminà lohahevitra isankarazany, anisan'izany ireo fanehoankevitra tsy mahomby manodidina ny blaogy vaovao iray nosokafan'ny sodaney pelaka iray. Wholeheartedly-Sudaniya [En] namoaka ity sary manaraka ity tamin'ny tambajotra, mikasika ny hetsika mihisatra ataon'ireo Firenena Mikambana ao Darfour sy mikasika ny maha-voarohitohy an'i Shina.

Etazonia: Fanomezam-boninahitra an'i Dr. Martin Luther King, Jr.

  11 Oktobra 2018

Tsy manjavona any amin'ny toeram-pialokalofana ny mpitarika rehefa fantatr'izy ireo fa misy ny zava-doza lehibe mitranga ary avela ny mpanao fihetsiketsehana handeha amin'ny lalana mampidi-doza mba hahazoaka tombony amin'ny paikady politikany, tantara sy toerana taiza no tondroina amin'izany fihevitra izany, hoy ianao?

Vehivavy Ejiptiana iray novonoina tao amin’ny fitsarana Alemà noho ny fanaovam-boaly

  08 Oktobra 2018

Efa ela izay ireo bilaogera Ejipsiana no tsy niara-niombon-kevitra. Saingy ilay heloka feno fankahalana niseho farany tany Alemaina momba ilay vehivavy Ejipsiana Miozolomana iray, Marwa El Sherbini, no nahafahan’izy ireo nihaona indray sy nanameloka ireo fampahalalam-baovao iraisam-pirenena, izay ninia tsy nijery ny toe-javatra niseho tamin’ireo Miozolomana any Andrefana.