Rosia: Resahina amin'ny aterineto ny tetikasa momba ny lalam-pifidianana vaovao

Vatam-pifidianana mangarahara – iray amin'ireo tolokevitra amin'ilay lalàna vaovao, sary nalain'i Rama
Tamin'ny volana lasa, ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana Rosiana, mpanara-maso fifidianana,”Golos” (A Voice) dia namoaka [RUS] safidy iray amin'ny ho lalam-pifidianana tamin'ny aterineto , izay heverina hitondra mankamin'ny fifidianana malalaka, marina, ary mangaraharaha any Rosia. Iray amin'ireo ohatra vitsivitsy vaovao amin'ireo vakiraoka-na volavolan-dalàna navoitra ampahibemaso tamin'ny aterineto ity .
Nandray kohin-dàlana ratsy ny fahalalahana sy ny fangaraharan'ireo fifidianana tany Rosia niaraka tamin'ny fahalanian'ny Filoham-pirenena faharoan'i Rosia Vladimir Putin. Ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny taona 2000 sy ny fifidianana ny Duma (parlemanta) tamin'ny taona 1999 no fifidianana farany neken'ny Organization for Security and Co-Operation any Eoropa (OSCE) [EN] ho “mifanaraka tsara amin'ireo fitsipika ara-demokratika ekena iraisam-pirenena.” Tsy nahavita ny fepetra notakian'ireo fifidianana ara-demokratikan'ny OSCE sy ny Kaonsilin'i Eraopa [Council of Europe] ireo fifidianana rehetra taty Niova ireo fomba fanao rehetra amin'ny fifidianana sy ny lalàna mifehy izany izay nambara ho eo manana endrika “demokrasia notarihan-dàlana ” [EN] ary taty aoriana ho “demokrasia manana ny fiandrianany” mba hisakanan-dàlana ny mpanohitra sy hamerana ny zon'ireo mpifidy. Tafiditra ao anatin'ireo fanovàna ny lalàna, ny fanalàna ireo fifidianana governora tamin'ireo faritra Rosiana, fampiakarana ny fetra hidirana ao amin'ny Duma avy amin'ny 5 ho 7 isan-jaton'ny vato ho an'ireo antoko politika, fanenjanana ny zavatra takiana amin'ireo antoko politika sns. Vokany, nitontongana ny isan'ireo antoko politika niala avy amin'ny ampolony ka lasa fito [RUS] sisa (ary efatra monja no voasolo tenaao amin'ny Duma ).
Tamin'ny faran'ny taona 2008, nifamotoana ireo vondrona manam-pahaizana 31 tsy miankina momba ny fifidianana, ireo mafana fo mpiaro zon'olombelona, ireo mpandalina ara-politika sy ireo mpanao gazety notarihin'i Arkadiy Lyubarev mba hanolotra volavolan-drafitra ara-pifidianana hasolo ny amin'izao fotoana izao. Nanomboka resaka an-databatra boribory nifanesy tany Moscou, Saint-Petersburg, Samara, Kazan sy tanàna maro hafa, i “Golos” rehefa hitany fa samy tsy misy liana amin'ny hanovana ny rafitra, na ny fanjakana na ireo antoko politika amin'izao fotoana. Antontan-taratasy lavabe [RUS] misy pejy 141 izay naseho tamin'ny 09 Jona 2010 no vokatry ny asan'izy ireo .
Ankoatr'ireo zavatra hafa, manome soson-kevita toy izao ny volavolan-dalàm-pifidianana vaovao:
- tsorina ny teny ampiasaina amin'ny lalàm-pifidianana;
- atambatra ho lalàna iray ireo fomba fanao ara-dalàna rehetra mikasika fifidianana (misy lalàna 5 ankehitriny izay mamaritra ireo fotoana samihafa amin'ny fifidianana, sady misy ireo lalàna sasany manitsaka ireo hafa );
- ampidinina ny fetra 7 ho lasa 4 isan-jato ho an'ireo antoko ;
- tsorina ny fomba fanao amin'ny fandraketana anarana antoko;
- amboarina ireo fepetra amin'ny fanekena ny sonia ho manankery (iray amin'ny fomba fanao mahazatra amin'izao fotoana izao ny manala ny kandidà amin'ny tsy fanekena ny sonia nangonin'ny kandidà ambara ho tsy manankery);
- fampidirina ireo vatam-pifidianana mangarahara;
Ny fifanakalozan-dresaka tsy dia mafana loatra mikasika io resaka io ao anatin'ny aterineto dia sady ahitàna endri-pampielezan-kevitra manokana sy fanakianana mikendry hanatsara zavatra. Namaritra ilay antontan-taratasy amin'ny fomba mahatsikaiky i Denis Dvornikov, sekretera mpanantanteraky ny Civic Control, Fikambanana tsy miankina (ONG) astroturf mpanohana ny Kremlin [RUS] ka miantso azy io ho “antontan-taratasy poakaty sy mpanao kobaka am-bava… izay natao hamelomana ireo teknolojista ara-politika matin-kanoanana.”
Efa mahazatra ny mahita ireo fanazavana mahatsikaiky sy ara-materialy anaty adihevitra amin'ny aterineto Rosiana. Famaritana ireo fikambanana miaro zon'olombelona izay tondroina ho “voavidin'ny Tandrefana” na “ny manohy mikatsaka ireo tombontsoany ara-barotra manokana” no tena foto-dresaka ao ambadik'izany, raha toa tsinontsinoavina kosa ireo faharisihana amin'ny maha-olombelona na amin'ny fanasoasoana .
Nanoratra mikasika ny nofinofy tsy ho tò amin'ilay volavolan-dalàna [RUS] i Dmitri Sapegin, teknolojista ara-politika iray
Задал вопрос – если это проект, то КАК вы собираетесь проводить новый Кодекс через Госдуму? …Там же по вашим словам – сидят игроки на политическом поле, которым не нужны новые нормативные конструкции, задевающие их интересы. Мне ответили: «Наш проект – создание Кодекса. Пока. Дальше – посмотрим».
Na izany aza, nanakiana [RUS] ilay antontan-kevitra ho avy amin'ny fijery federalisma V_Martynov mpampiasa Livejournal: teritery ihany ny fahafaha-mihetsiky ny faritra hanendry ny rafitra azy ireo manokana faritan'ilay volavolan-dalàm-pifidianana.
Amin'izao fotoana izao , amin'ny aterineto ihany no azo resahana sy aparitaka sisa ny tetikasa toy ny Golos sy ny Volavolan-dalàm-pifidianana . Rehefa tsy hisy fahitalavitra tsy miankina na fampielezam-peo hampahafantatra azy ity ny besinimaro, ary tsy hisy antoko politka hanohana izany. Toa tsy manana tombony (sy fahamarinana) amin'izany mihitsy koa ireo mpitoraka bilaogy .
Amin'ny lafin'ny iray, mety azo hazavaina amin'ny hasarotry ny anton-dresaka, ireo pitsopitsony ara-teknika maro, ary ambonin'izany rehetra izany, ny fahambanian'ny toerana amin'ny kolotsaina mikasika ny lalàna eo amin'ny firenena, ny tsy fahampian'ny fahamatorana amin'ny resadresaka amin'ny aterineto. Amin'ny lafin'ny iray indray, mety ho ny fiantrana sy ny tsy fahampian'ny fahatokisana tsapan'ny Rosiana maro mikasika ireo fifidianana, noharatsian'ireo manampahefana nanararaotra ny rafitra nandritry ny teo amin'ny folo taona teo ho eo, no tena antony lehibe indrindra.
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Sokajy

Atombohy ny resaka
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...