Niverina Ety Anaty Aterineto Ary Mihaza Mpianatra Ny Tafika Menan'i Shina

Nidera ny Anjerimanontolo Guangdong Baiyun ny governemanta eo an-toerana any amin'ny faritanin'i Guangdong Atsimon'i Shina, noho ny ‘asa tsara nataony’ mikasika ny fanaraha-maso ny hetsika sy ny fomba fihevitry ny mpianatra et anaty aterineto, araka ny tatitry ny Nandu Daily [zh].

Nomena ny anaram-bositra hoe “tafika menan'ny aterineto” ary tarihan'ny mpampianatra sivy sy mpianatra enina, nitsangana tamin'ny taona 2010 ny ekipan'ny “Fanarahamaso Ny Aterineto sy ny Haino aman-jerim-bahoaka ary ny Vaovaon'ny Mpianatra ” ao amin'ny Anjerimanontolo Guangdong Baiyun mba hijery ny resaky ny mpianatra ary hanara-maso ny fihetseham-po miiba ety anaty aterineto. Takian'ny asan'izy ireo isanandro ny fanaraha-maso ny resaka anaty sehatra fifanakalozan-dresaka, ny fanarahana ireo fitorahana bilaogy kiritika ary ny fitsongoana dia ireo seha-pifaneraserana anaty aterineto. Miasa 1.5 ora isan'andro ny mpianatra nokaramaina ary mandray RMB 200 ($32) isam-bolana.

Internet in China by Karen Roach via Shutterstock

Aterineto ao Shina, avy amin'i Karen Roach , tao amin'ny Shutterstock

Niteraka hatezerana avy hatrany tety anaty aterineto  ilay vaovao vantany vao nivoaka; maro no mihevitra fa nandika ny fiarovana ny fiainana manokan'ny mpianatra ny anjerimanontolo ary mitaky ny hanajanonana avy hatrany ilay rafitra. Na izany aza, maro ireo fanehoankevitra tao amin'ilay tranonkalan'ny Weibo, fitoraham-bilaogy kiritika Shinoa, no nofafàna ary nanjary lasa teny fady vetivety teo ny “Tafika Menan'ny Aterineto”. Namoaka ity fanehoankevitra [zh] ity ny Sina news tamin'ny 20 Martsa:

根据法律,作为高校是无权监控学生(公民)网络信息的,无论出于多么冠冕堂皇的理由,监控学生的网络信息是涉嫌违法的行为,学生有权提出控告。但是,令人遗憾和担忧的是,白云学院的这种监控行为,不但没有受到有关方面的制止,而且他们的这种“白云红军——网络舆情周报制度”还被评选为“高校学生事务管理精品项目”,受到广东省高校学生工作专业委员会的表彰,大有推而广之之势。

Raha eo anatrehan'ny lalàna, tsy manana zo hanara-maso ny mombamomba ny mpianatra (olom-pirenena) ety anaty aterineto ny anjerimanontolo. Na inona na inona antony mety holazainy, mifanohitra amin'ny lalàna izao zavatra izao. Manana zo hanenjika ny anjerimanontolo ny mpianatra. Kanefa, ny tena mampalehelo sy mampanahy amin'izao zavatra izao dia tsy vitan'ny hoe tsy ho voatohintohina amin'izao fitondrantenany izao ny Anjerimanontolo Baiyun, fa koa mbola voafidy ho ohatra mahomby amin'ny “Tetikasa Fitantanana ny Raharahan'ireo Mpianatra eny amin'ny Sampam-pampianarana ambony” ilay rafitra fanaraha-maso eny anivon'ny aterineto ” Tafika Mena Baiyun – sady nankalazaina sy nohindrahindrain'ny Komitin'ny Raharahan'ireo Mpianatra eny amin'ny Sampam-pampianarana ambony any Guangdong izy.

Nanakiana[zh] teo amin'ny Sina Weibo[zh] ilay mpisolovava, Song Jian:

@宋健律师:一切思想控制都是反人性的,一切培养精神奴隶的学校都是垃圾!

Mifanohitra amin'ny natioran'ny olombelona ny fifehezana ny fisaina. Tsy misy ilàna azy izay rehetra rafi-pampianarana ambony miezaka ny hanao ireo mpianany ho andevony ara-tsaina.

Nitaky tamin'ny Anjerimanontolo Bai Yu i “止于至善_风飘絮” ny mpianatra iray avy amin'ny fianarana ambony avy any Guangdong, mba hanome ny fototra araka ny lalàna sy vola mamatsy ity rafitra ity:

权利的侵蚀无所不在,言论自由是每个人都要随时随地寸土必争绝不退让的——龙应台。请公开 –军—-红—–络—–网—–的 法律依据 以及经费等!

[Fitanisàna avy amin'ilay mpanoratra Taioanezy] Long Yingtai: Itsahina aby ny zo n'aiza n'aiza. Zavatra tokony hiadian'ny tsirairay ny fahalalahana hiteny ary tsy hatao sorona mihitsy na rahoviana na rahoviana, na aiza na aiza. Aoka haseho ho fanta-bahoaka ny fototra araka ny lalàna sy vola mamatsy ny tafika menan'ny aterineto.

Nanoratra [zh] i  “薛蛮子” ,  olona iray ao amin'ny aterineto hoe: hita tao amin'ny fianarana ambony Baiyun ve ny “1984”?, ohariny amin'ny Das Leben der Anderen, horonantsary alemana mikasika ny fitantanana tany Berlin Atsinanana tamin'ny 1984 nataon'ny mpiasan'ny polisy miafina Stasi.

耸人听闻的“网络红军”,每天监控着学生的微博、贴吧、QQ群。白云学院管理层在担心什么?谁来保护学生的隐私?监控的背后会不会打击那些发牢骚的学生?当思想政治立场坚定的学生被雇佣来监督自己的同学,离《窃听风暴》还有多远?

Manaramaso ny fitoraham-bilaogy madinika, ny sehatra fifampiresahana ety amin'ny aterineto, ary ny vondrona QQ, an'ireo mpianatra ny “Tafika Menan'ny Aterineto” mampitahotra. Inona no atahoran'ny fitantanan'ny Anjerimanontolo Baiyun? Iza no hiaro ny fiainana manokan'ny mpianatra? Ao ambadiky ny rafitra fanarahamaso, ho sazian'izy ireo ve izany ireo mpianatra mitaraina? Raha manaràma  mpianatra manana ny fironana politika ifikirany mba hijery ireo namany mpiray kilasy aminy, hatraiza izany no mampiavaka antsika amin'ny Das Leben der Anderen?

Naverin'ny Anjerimanontolo Baiyun navoaka[zh] ny lahatsoratra avy amin'ny Legal Daily tamin'ny 20 Martsa, mitondra ny lohateny hoe “Hanadiovana ny aterineto, mila ny Tafika Menan'ny aterineto isika”  ho valin'ny hatezerana tamin'ny aterineto. Mamintina izy hoe:

白云学院组成“网络红军”的做法,为社会主义精神文明建设做出了有益的探索和突出的贡献。其他学校、工厂、机关等难道不应该好好借鉴和学习吗?

Nanao fandraisana anjara misongadina teo amin'ny fananganana sivilizasiona ara-tsaina sosialista ny “Tafika Menan'ny Aterineto'” ao amin'ny Fianarana ambony Baiyun. Tsy tokony hàka tàhaka azy ireo ve ny sekoly na ny orinasa na ny fikambanana hafa??

Toa mbola hiraikitra ela eto izany ny tafika mena raha zohina koa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.