Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Marsa, 2008

Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Marsa, 2008

Hong Kong: Famelomana indray ny Tai O

Nikarakara fifaninanana hamelomana indray ny fanjonoana nentim-paharazana ambanivohitra ny governemanta ao Hong Kong, Tai O. Avahan'i Diumanpark fa ny filazana hoe “hamelomana indray” dia fanarotsaronana ny “commercialisation”(fampiroboroboana ny varotra), izay, mety hamotika ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao mampiavaka ny ao an-toerana[zh] ihany.

Korian-karena : Tati-dresak'ireo mpiblaogy mikasika ny Andro Iraisam-Pirenena hoan’ny Rano

(Tsy ho nahita masoandro mihitsy ity lahatsoratra ity raha tsy nisy ny fanampian'i Paula Góes, sy i Amira Al Hussaini ary i Lova Rakotomalala. Fankasitrahana eram-po no atolotra azy ireo !) Sary nindramina tamin'i Ragesh Vasudevan Iarahana mahafantatra ho fandevonana zava-drehetra, labieran'ingahy Adam [Adam's Ale], ranom-boakazom-panjakana [government juice], sôdan'ny mahantra...

Brezila sy Haiti: Rio de Janeiro sy ny Mpampandry tanin'ny Firenena Mikambana

Namakafaka lalina i Aloisio Milani [pt] fa “mety ho foto-dalàna sady azo heverina no azo ampiharina amin'ny fampanjakana ny filaminam-bahoaka ny fidiran'ny tafika an-tsehatra anivon'ny tanàna breziliana efa miaina herisetra isan'andro, noho ny fisiana fikambanana jiolahy voalamina any an-toerana, ny fahombiazan'ny miaramila misatro-manga (n'ny Firenena Mikambana)”. Nahare loharanom-baovao avy amin'ny...

Tsy misy tanàna ho an'ny Aborigènes

Banai sy ny vadiny eo anoloan'ny tranon'izy ireo Ny adihevitra ho an'izay ho  filoham-pirenena voalohany nokarakarain'ny Peopo, plateforme mpampahalala vaovao avy amin'ny olon-tsotra dia natao ny 24 febroary. Roa no nirotsaka hofidiana ho filoham-pirenana ary namaly ny fanontaniana 20 napetrakin'ny olon-tsotra izay mampiasa ny rohin'ampahan-tsary toy ny  Youtube mba hanapariahana...

Egypta: Hiatrika ny ampitso

“Raha tianao ho fantatra ny ho avin'ny fiainan-janak'olombelona, dia aza ny toerana vaovao no todihanao. Jereo ny toerana antitra na efa niainan'ny olona hatry ny ela: Toerana izay efa nisiana mpitondra maro sy fanjakana matanjaka nifandimby na nifampisolosolo nihanahery sy nidaboka anarivony taona izao, toerana kely nifampisonana nefa namelona vahoaka...

Kioba: Tsy hisy ny sakana?

Child of the Revolution (Zanaky ny Revolisiona) no misalasala raha mitodika amin'ny vaovao manambara fa “Afaka ny hividy kojakojam-pitaovana elekitironika tsy misy fanakatsakanana amin'izany ny Kiobana ” ho mari-pamantarana ny fivoaran'ny politika any.

Tajikistan : Ny hanoanana indray no hisolo ny hatsiaka sy ny haizina

Firenena kely i Tajikistan, fa misedra olana lehibe. Raha mbola sahirana amin'ny tsy fahampian'ny herin'aratra ny mponina, indrindra ireo eny ambanivohitra, dia efa mananontanina azy ireo sahady ny fahasahiranana hafa. Olana ara-tsakafo indray no miandry azy ireo amin'ity. Araka ny notanterin‘ny Neweurasia dia nampanantena ny Barki Tojik – hany mpamokatra...

Afrika : Izay toeran'ireo fitenin-drazana Afrikana eo amin'ny sehatry ny fampandrosoana

Beyond Niamey no mitatitra ny fikarohana izay ataony ka nametrahany ny fanontanianan’izay toeran'ireo fitenin-drazana Afrikana eo amin'ny sehatry ny fampandrosoana ? : I've been e-mailing some non-governmental organizations involved in African development about the role of African languages in their work. This is an exploratory research on a small scale...

Taiwan: Tsy misy tanàna ho an’ny Aborigènes antitra

Ny adihevitra ho an’izay ho filoham-pirenena voalohany nokarakarain’ny Peopo, plateforme mpampahalala vaovao avy amin’ny olon-tsotra dia natao ny 24 febroary. Roa no nirotsaka hofidiana ho filoham-pirenana ary namaly ny fanontaniana 20 napetrakin’ny olon-tsotra izay mampiasa ny rohin’ampahan-tsary toy ny Youtube mba hanapariahana ny hetahetany sy ny olany. Banai sy ny...

Rakotomalala Lova : Manome toerana an'i Madagasikara

I Rakotomalala Lova, izay fantatra koa amin'ny anaram-bosotry ny blaoginy hoe Malagasy Dwarf Hippo na Lalomena Malagasy Botry (satria ireo karazam-biby izay ripaka dia mba manan-kambara koa), dia teraka tany Madagasikara ary mitatitra momba ny blaogasyfera avy any Lafayette, any Indiana USA, izay toerana onenany sy anaovany ny asa maha-mpikaroka...