Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Janoary, 2022
COVID-19 : Tsy ho sitrana amin'ny fampiasana fanafody ratsy izany ianao
Tatitra fiarahamiasa vaovao miezaka manambatra ireo "faktiora tsy hita" avy amin'ny famahana ny COVID-19 tohanan'ny IFI, mandrakitra ireo lesoka maro, ary mametraka fanontaniana manakiana momba ny famahana ny areti-mifindra misy ankehitriny.
Fatiantoka ho an'i Wisconsin ny fahazoan'i Lagos fiaran-dalamby
Nanakatona ny fifanenjehana ara-politika ifanaovan'ny Demaokraty sy ny Repoblikana any Wisconsin ny fividianan'ny Fanjakan'i Lagos ao Nizeria ny lamasinina tsy nampiasaina nandritra ny folo taona.
Mahomby ve ny vaksiny COVID-19 novokarin'i Torkia
Tamin'ny volana Desambra 2021, nankatoavin'ny filoha Recep Tayyip Erdoğan ny vaksiny Turkovac ho ampiasana vonjimaika. Nilaza ny manam-pahaizana fa tsy misy ny angondrakitra siantifika sy porofo milaza ny fahombiazan'ilay vaksiny.
Enda, kirarom-pihazakazahana voalohany avy ao Kenya manantena ny hahomby amin'ny sehatry ny fanatanjahantena manerantany
Enda, izay midika hoe "Andao!" amin'ny teny Swahili, no te-hifanala hazakazaka amin'ny Adidas, Nike, ary Puma hahazo ny volan'ny sangany sy ireo manerantany manao ny hazakazaka ho fialamboliny.